bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 John 1
1 John 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
1
Izay efa hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Tenin’ny Fiainana,
2
fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay,
3
izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo mba hahazoanareo fiombonana aminay koa. Ary ny fiombonanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany.
4
Ary izao zavatra izao no soratanay mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
5
Ary izao no teny renay Taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao Aminy.
6
Raha hoy isika: Manana fiombonana Aminy isika kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
7
Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
8
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena isika, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
10
Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary ny teniny dia tsy ato anatintsika.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5