bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 John 2
1 John 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
1
Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina.
2
Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.
3
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika dia ny fitandremantsika ny didiny.
4
Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny.
5
Fa na iza na iza mitandrina ny teniny dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra. Izany no ahafantarantsika fa ao Aminy isika.
6
Izao no ahafantarantsika fa ao Aminy isika: Izay milaza fa mitoetra ao Aminy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
7
Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo fa didy ela izay efa nanananareo hatramin’ny voalohany. Ny didy ela dia ilay teny efa renareo.
8
Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo Aminy sy eo aminareo satria miala ny maizina ary ny mazava marina no mamirapiratra ankehitriny.
9
Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany.
10
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.
11
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany satria ny maizina no nahajamba ny masony.
12
Manoratra aminareo zanaka aho satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
13
Manoratra aminareo ray aho satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho satria efa naharesy ilay ratsy ianareo.
14
Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
15
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray;
16
fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
17
Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
18
Rankizy, izao no ora farany. Araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy sady maro ny antikristy no efa tonga sahady, dia izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
19
Avy teto amintsika ihany no nialan’ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha toa ka namantsika izy dia ho nitoetra teto amintsika ihany; kanefa niala izy mba haseho fa tsy namantsika izy rehetra.
20
Fa ianareo kosa dia manana hosotra avy amin’Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
21
Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsy fisian’ny lainga avy amin’ny marina.
22
Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
23
Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
24
Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ny voalohany, no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ny voalohany dia hitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.
25
Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
26
Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ny olona mamitaka anareo.
27
Ary ny aminareo dia ilay hosotra noraisinareo Taminy no mitoetra ao aminareo ka tsy mila hampianarin’olona ianareo; fa satria ny hosotra avy Aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao Aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
28
Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao Aminy, mba hananantsika toky rehefa miseho Izy ka tsy hiala Aminy amin-kenatra amin’ny fiaviany.
29
Raha fantatrareo fa marina Izy dia fantaro fa izay rehetra manao ny fahamarinana no zanany naterany.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5