bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 John 3
1 John 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
1
Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.
2
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa rehefa miseho Izy dia ho tahaka Azy isika ka ho hitantsika Izy amin’izay tena maha Izy Azy.
3
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina Aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
4
Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
5
Ary fantatrareo fa Izy no naseho mba hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao Aminy.
6
Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
7
Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo. Izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
8
Izay manota dia avy amin’ny devoly satria ny devoly dia manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.
9
Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota satria ny voany dia mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra.
10
Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny fahamarinana sy izay tsy tia ny rahalahiny.
11
Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: Tsy maintsy mifankatia isika;
12
tsy ho tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ny rahalahiny.
13
Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’izao tontolo izao ianareo.
14
Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana ihany.
15
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
16
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: Izy no nanolotra ny ainy noho ny amintsika; ary isika kosa dia mba tokony hanolotra ny aintsika noho ny amin’ny rahalahy.
17
Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
18
Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
19
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
20
na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
21
Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika dia manana toky eo anatrehan’Andriamanitra isika.
22
Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika avy Aminy satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23
Ary izao no didiny dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
24
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao Aminy, ary Izy kosa ao aminy. Izany no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy izay nomena antsika.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5