bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Thessalonians 1
2 Thessalonians 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
I Paoly sy i Silasy ary i Timoty no mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
2
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mendrika hatao izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo ny fifankatiavanareo rehetra.
4
Reharehan’ny tenanay eny amin’ny fiangonan’Andriamanitra ianareo noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo.
5
Famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra ireny mba hatao ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra ianareo sady izany rahateo koa no iaretanareo.
6
Zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
7
ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, rehefa hiseho avy any an-danitra Jesosy Tompo, mbamin’ny anjeliny mahery,
8
amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny Filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.
9
Ireny olona ireny no hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, lavitry ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
10
rehefa tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy hampitolagaga azy eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany satria ninoana ny fanambarànay taminareo.
11
Izany no angatahinay mandrakariva ho anareo mba hataon’Andriamanitsika ho mendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ny finoana
12
mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika ary ao Aminy kosa ianareo, araka ny fahasoavan’Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3