bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Thessalonians 3
2 Thessalonians 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay mba handehanan’ny tenin’ny Tompo haingana ka hankalazaina toy izao eo aminareo izao,
2
ary mba hovonjena ho afaka amin’ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3
Fa mahatoky ny Tompo izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ilay ratsy.
4
Fa izahay dia matoky anareo ao amin’ny Tompo, fa izay zavatra ampanaovinay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
5
Ny Tompo anie hampitodika ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ho amin’ny faharetan’i Kristy.
6
Ary mangataka anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
7
Fa ianareo no mahalala izay tokony hianaranareo aminay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay
8
ary tsy nihinana foana izay hanin’olona fa niasa andro aman’alina tamin’ny fikelezan’aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray aminareo akory aza;
9
tsy hoe tsy manana zo anefa izahay fa ny mba hanoloranay ny tenanay ho fianarana ho anareo.
10
Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay dia niteny hentitra taminareo hoe: Raha misy tsy mety miasa dia aoka izy tsy hihinana.
11
Renay mantsy fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara ka tsy miasa akory fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona.
12
Izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara am-pilaminana ka hihinana izay azy ihany.
13
Fa ianareo, ry rahalahy, dia aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.
14
Raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ity epistily ity dia mariho izany olona izany ka aza mikambana aminy mba hahamenatra azy.
15
Kanefa aza dia atao fahavalo izy fa anaro toy ny rahalahy.
16
Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
17
Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly. Izao no famantarana eo amin’ny epistily rehetra; izao no soratro.
18
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3