bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Thessalonians 2
2 Thessalonians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo Aminy,
2
mba tsy halaky hohozongozonina ny sainareo na hampitahorina ianareo, na amin’ny fanahy na amin’ny teny na amin’ny epistily izay toa hoe avy aminay ary milaza fa efa tonga sahady, hono, ny andron’ny Tompo.
3
Aza mety hofitahin’olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana ka hiseho ilay lehilahin’ny ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
4
ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra ary milaza ny tenany ho Andriamanitra.
5
Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
6
Ary ankehitriny dia fantatrareo ny zavatra misakana azy mba tsy hisehoany raha tsy amin’ny fotoanany.
7
Fa miasa sahady ny zavamiafina dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny fotsiny ihany.
8
Fa amin’izay dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny famirapiratan’ny fiaviany.
9
Ny fiavin’ilay mpanao ratsy dia araka ny fiasan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana ary ny fahagagana mandainga rehetra
10
sy ny famitahana momba ny tsy fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11
Koa izany no andefasan’Andriamanitra fiasan’ny fahadisoan-kevitra aminy ka inoany ny lainga
12
mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina fa nankasitraka ny tsy marina.
13
Fa tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo izahay, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany mba hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina ianareo
14
sady ho amin’izany koa no niantsoany anareo tamin’ny Filazantsara torinay mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika.
15
Koa tomoera tsara, ry rahalahy, dia hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay na tamin’ny epistilinay.
16
Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,
17
Izy anie no hampionona ny fonareo sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3