bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Timothy 2
2 Timothy 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
1
Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
2
Izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky izay hahay hampianatra ny sasany kosa.
3
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao, tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy.
4
Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy.
5
Raha misy mandray anjara amin’ny fifaninanana dia tsy satrohana satroboninahitra izy raha tsy manezaka araka ny fitsipi-dalao.
6
Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
7
Diniho izay lazaiko fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao.
8
Tsarovy Jesosy Kristy izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny Filazantsara toriko,
9
izay iaretako fahoriana hatramin’ny fifatorana aza, toy ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
10
Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy mba hahazoan’ireny koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesosy, mbamin’ny voninahitra mandrakizay.
11
Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty Aminy isika dia hiara-belona Aminy koa;
12
raha miaritra isika dia hiara-manjaka Aminy; raha mandà Azy isika dia handa antsika kosa Izy;
13
fa na dia tsy mahatoky Azy aza isika dia mbola mahatoky ihany Izy satria tsy afaka handa ny tenany Izy.
14
Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona; koa anaro mafy eo anatrehan’ny Tompo izy mba tsy hampiady teny satria tsy mahasoa akory izany fa mamadika ny mpihaino.
15
Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra izay mizara tsara ny tenin’ny fahamarinana.
16
Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany,
17
ary ny teniny dia hikiky tahaka ny homamiadana; isan’ireny i Himeneo sy i Fileto.
18
Nania tamin’ny marina ireny ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mandrava ny finoan’ny sasany izy amin’izany.
19
Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: Ny Tompo mahalala ny azy, ary koa: Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy.
20
Fa ao amin’ny trano lehibe iray, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany dia homem-boninahitra ary ny sasany dia halam-baraka.
21
Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.
22
Mandosira ny filan’ny fahatanorana ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
23
Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
24
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa aoka ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
25
mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome fibebahana azy mba hahalalany tsara ny marina,
26
dia hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4