bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Timothy 4
2 Timothy 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
1
Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
2
Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mampirisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
3
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
4
ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.
5
Fa mahonòna tena kosa ianao amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
6
Fa izaho dia efa hatolotra ho fanatitra aidina sahady ary efa mba akaiky ny andro fialako.
7
Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho.
8
Hatramin’izao dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.
9
Ataovy izay hahatongavanao haingana atỳ amiko,
10
fa efa nandao ahy i Demasy, noho ny fitiavany izao fiainana izao dia lasa nankany Tesalonika izy; i Kreska dia nankany Galatia, i Titosy dia nankany Dalmatia.
11
I Lioka ihany no ato amiko. Alao i Marka ka ento miaraka aminao fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.
12
I Tikiko dia nirahiko ho any Efesosy.
13
Ilay akanjobe navelako tany Troasy tao amin’i Karpo dia ento raha mankaty ianao. Ento koa ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
14
I Aleksandra, mpanefy varahina, dia nanisy ratsy ahy be loatra. Ny Tompo hamaly azy araka ny asany.
15
Tandremonao ihany izy iny fa nanohitra fatratra ny teninay.
16
Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa izy rehetra. Mba tsy hisaina ho helony anie izany!
17
Nitsangana teo anilako anefa ny Tompo ka nampahery ahy mba ho tanteraka tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny ary mba ho ren’ny Jentilisa rehetra izany. Ary izaho dia novonjena teo am-bavan’ny liona.
18
Ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
19
Veloma any amin’i Prisila sy i Akoila mbamin’ny ankohonan’i Onesiforosy.
20
Nitoetra tany Korinto i Erasto, fa i Trofimo dia nilaozako tany Mileto satria narary izy.
21
Ataovy izay hahatongavana atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobolo, i Poda, i Lino ary i Klaodia mbamin’ny rahalahy rehetra.
22
Homba ny fanahinao anie ny Tompo! Ho aminareo anie ny fahasoavana!
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
All chapters:
1
2
3
4