bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
2 Timothy 3
2 Timothy 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Fa aoka ho fantatrao izao: Any am-parany any dia hisy andro sarotra.
2
Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina,
3
tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, lozabe, tsy tia ny tsara,
4
mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra;
5
manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy nefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
6
Fa isan’ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana, entin’ny filana maro,
7
mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
8
Ary tahaka ny nanoheran’i Jana sy i Jambra an’i Mosesy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana; izy ireny dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
9
Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo roa lahy ireo koa.
10
Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny faharetako,
11
ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany.
12
Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy dia henjehina.
13
Fa ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka kosa dia handroso hiharatsy kokoa; sady mamitaka izy no fitahina.
14
Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
15
fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
16
Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana,
17
mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4