bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Colossians 1
Colossians 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
1
I Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timoty rahalahy,
2
no mamangy ny olona masina any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika.
3
Misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika izahay ary mivavaka mandrakariva ho anareo;
4
fa renay ny finoanareo an’i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
5
noho ny fanantenana izay tahirizina any an-danitra ho anareo, fanantenana efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinana dia ny Filazantsara.
6
Io Filazantsara io dia efa tonga eo aminareo ka mamokatra sy mitombo tahaka ny eo amin’izao tontolo izao; toy izany koa ny eo aminareo, hatramin’ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahamarinan’ny fahasoavan’Andriamanitra,
7
araka ny efa renareo tamin’i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’i Kristy mahatoky eo aminareo;
8
izy koa no nanambara taminay ny fitiavanareo ao amin’ny Fanahy.
9
Noho izany, izahay koa dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo hatramin’ny andro nandrenesanay, mba hofenoina ny fahalalana ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy,
10
mba handehananareo mendrika ny Tompo, manao ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra;
11
mba hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ianareo ka hanana ny faharetana rehetra sy ny fahari-po. Amin’ny fifaliana
12
no isaory ny Ray izay nampahamendrika anareo hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava
13
sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany
14
izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
15
Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita maso, Ilay Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao;
16
fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana; Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany;
17
Izy no talohan’ny zavatra rehetra sady ao Aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
18
Izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa amin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy.
19
Fa sitraky ny Ray ho ao Aminy no hitoeran’ny fahafenoana rehetra
20
sady Izy no hampihavanany Aminy ny zavatra rehetra ka ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana; eny, Izy hoy aho, no fampihavanana, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.
21
Ary ianareo izay vahiny fahiny sady fahavalo tamin’ny fomba fisainanareo sy ny asa ratsy nataonareo
22
dia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
23
raha maharitra amin’ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Filazantsara izay efa renareo sady torina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
24
Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho ary manatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny fiangonana.
25
Izy no nahatonga ahy ho mpanompo, araka ny andraikitra nomen’Andriamanitra ahy teo aminareo, mba hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra,
26
dia ny zavamiafina, ilay voafina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho amin’ny olony masina kosa ankehitriny.
27
Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra.
28
Izy no torinay amin’ny fampitandremanay sy ny fampianaranay ny olona rehetra amin’ny fahendrena rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra.
29
Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan’ny herin’Ilay miasa amin-kery ato anatiko.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4