bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Colossians 4
Colossians 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
1
Ianareo tompo, ataovy amin’ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa mba manana Tompo any an-danitra koa ianareo.
2
Mahareta amin’ny fivavahana ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana.
3
Mangataha koa ho anay mba hamohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny, hilazanay ny zavamiafina izay an’i Kristy, sady izany no efa namatorana ahy rahateo
4
mba haharihariko tsara izany araka izay tokony hitenenako.
5
Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany, hararaoty ny fotoana.
6
Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
7
Ny momba ahy rehetra dia holazain’i Tikiko aminareo, ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ny Tompo.
8
Ny anton’ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny momba anay sy ny mba hampaherezany ny fonareo.
9
Nirahiko koa i Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo; hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ izy roa lahy.
10
Manao veloma anareo i Aristarko, mpiara-mifatotra amiko sy i Marka, havan’i Barnabasy; efa nomena toromarika momba azy ianareo ka raha tonga atỳ aminareo izy dia raiso.
11
Raiso toa izany koa i Jesosy, izay antsoina hoe Josto. Avy amin’ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12
Manao veloma anareo i Epafra, ilay avy aminareo sady mpanompon’i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hijoro amin’ny fahafenoana ianareo sady hahatanteraka izay rehetra sitrapon’Andriamanitra.
13
Vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ny any Laodikia ary ho an’ny any Hierapolia izy.
14
Manao veloma anareo i Lioka malala, ilay mpitsabo, sy i Demasy.
15
Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary i Nimfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
16
Rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity dia ataovy koa izay hamakiana azy ao amin’ny fiangonan’ny Laodikiana; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ny Laodikiana.
17
Ary lazao amin’i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
18
Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
All chapters:
1
2
3
4