bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Colossians 2
Colossians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
1
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ny nofo,
2
mba hampaherezina ny fony amin’ny ampiraisana azy amin’ny fitiavana ka ho feno fahatokiana be avy amin’ny fahazavan-tsaina izy, ary hahalala tsara ny zavamiafina izay an’Andriamanitra, dia Kristy,
3
izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
4
Izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina.
5
Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho dia miaraka aminareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsy fiovan’ny finoanareo an’i Kristy.
6
Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo dia mandehana koa ao Aminy araka izany;
7
mifahatra tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo ka feno fisaorana amin’izany.
8
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
9
Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra;
10
ary ianareo dia tanteraka ao Aminy sady Izy no lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra.
11
Tao Aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy.
12
Fa niara-nalevina Taminy ianareo tamin’ny batisa, ary tao Aminy koa no niara-natsangana Taminy noho ny finoana ny asan’Andriamanitra izay nanangana Azy tamin’ny maty.
13
Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsy fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Efa navelany avokoa ny fahadisoantsika rehetra;
14
novonoiny ny didy voasora-tanana izay niampanga antsika; nesoriny izany ka nohomboany tamin’ny hazofijaliana;
15
noreseny ny fiandrianana sy ny fahefana ary nasehony miharihary ny fitondrany ireo amin’ny fandresen’ny hazofijaliana.
16
Koa aza avela hisy hitsara anareo, na amin’ny fihinana, na amin’ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17
aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia Kristy.
18
Aza mety hofitahin’ny olona amin’ny fanetren-tena diso sy ny fivavahana amin’ny anjely ianareo; mitompo amin’ny zavatra hitany izy ireny sady feno fiavonavonana noho ny fisainany ara-nofo
19
ka tsy mihazona ny loha izay Izy no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny vanin-taolana sy ny hozatra, araka ny fampitomboana izay avy amin’Andriamanitra.
20
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ka mety hodidiana hoe:
21
Aza mandray, aza manandrana, aza manendry.
22
Levona izany rehetra izany rehefa ampiasaina, fa didy sy fampianarana avy amin’olona ihany.
23
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana noterena sy ny fanetren-tena diso ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery hahasakana ny fampanaranam-po ny nofo akory.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4