bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Daniel 1
Daniel 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 2 →
1
Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, no nankanesan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2
Ary ny Tompo nanolotra an’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny fanaka sasany tao amin’ny tranon’Andriamanitra ho eo an-tanany. Dia noentiny ho any amin’ny tany Sinara, ho ao amin’ny tranon’ireo andriamaniny ireo; ary ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ny trano fitahirizana an’ireo andriamaniny.
3
Nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Israely avy amin’ny taranaky ny mpanjaka na avy amin’ny fianakavian’andriana,
4
dia zatovo izay tsy nanan-kilema fa tsara tarehy sady mendrika amin’ny fahendrena rehetra no manam-pahalalana ary mazava saina ka sahaza hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka; nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana ireo.
5
Nampanokana hanina ho azy ireo isanandro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony ny mpanjaka mba hamelomana azy ireo mandritra ny telo taona, fa rehefa afaka izany dia hijoro eo anatrehan’ny mpanjaka izy.
6
Tamin’izy ireo dia nisy avy amin’ny taranak’i Joda: I Daniela sy i Hanania ary i Misaela sy i Azaria.
7
Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana ireo ka i Daniela dia nataony hoe Beltesazara, i Hanania kosa dia Sadraka, i Misaela indray dia Mesaka, ary i Azaria dia nataony hoe Abed-Nego.
8
Fa i Daniela dia ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny anjara hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka, na tamin’ny divay izay fisotrony ka nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
9
Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindrampo tamin’ilay lehiben’ny tandapa i Daniela.
10
Ary hoy ilay lehiben’ny tandapa tamin’i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ny mpanjaka va ianareo ka hotapahiny ny lohako?
11
Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiambina izay notendren’ny lehiben’ny tandapa ho mpiambina an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria:
12
Miangavy anao aho, zahao toetra mandritra ny hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena legioma hohaninay sy rano hosotroinay.
13
Dia aoka hojerena eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ny hanin’ny mpanjaka, koa araka izay hitanao no ataovy amin’ny mpanomponao.
14
Nanaiky izany tolo-kevitra izany izy ka nanara-maso azy ireo nandritra ny hafoloana.
15
Nony tapitra ny hafoloana dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehin’izy ireo noho ny an’ny zatovo hafa rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
16
Dia najanon’ilay mpiambina ny anjara haniny sy ny divay tokony hosotroiny ka legioma no nomeny azy.
17
Nomen’Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ny soratra sy ny fahendrena rehetra ireo zatovo efa-dahy ireo, ary i Daniela dia nahay namantatra ny amin’ny fahitana sy ny nofy rehetra.
18
Nony tonga ny andro nasain’ny mpanjaka hitondrana azy ireo dia noentin’ilay lehiben’ny tandapa niditra teo anatrehan’i Nebokadnezara izy.
19
Niresaka tamin’izy ireo ny mpanjaka ka tamin’izy rehetra dia tsy nisy hitany ho tahaka an’i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. Dia nitoetra teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo.
20
Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy dia hitany fa nanan-tombo avo folo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay tao amin’ny fanjakany rehetra aza izy ireo.
21
Ary nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy mpanjaka i Daniela.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12