bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Daniel 12
Daniel 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
1
Amin’izany andro izany dia hitsangana i Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izay dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.
2
Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: Ny sasany dia ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ny sasany kosa dia ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
3
Izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.
4
Ianao kosa, ry Daniela, dia tano ho tsiambaratelo ny teny ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-piavin’ny andro farany. Maro no hazoto mikaroka ka hitombo fahalalana.
5
Dia nijery izaho Daniela ka indro, nisy olona roa hafa koa nijoro, ny iray dia teto amoron’ny ony, ary ny iray kosa dia teroa andafiny.
6
Hoy ny iray tamin’ilay lehilahy mitafy lamba rongony, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony: Rahoviana vao ho tonga ny faran’ireo fahagagana ireo?
7
Ary ilay lehilahy mitafy lamba rongony, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony, dia nanandratra ny tanany havanana sy ny tanany havia ho amin’ny lanitra ka reko nianiana tamin’Izay velona mandrakizay izy, fa ho fetrandro iray sy fetrandro roa ary antsasaky ny fetrandro no sisa; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olona masina dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
8
Nandre izany aho nefa tsy nahazo ny heviny. Dia hoy aho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?
9
Dia hoy izy: Mandehana, ry Daniela, fa voatana ho tsiambaratelo ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-piavin’ny andro farany.
10
Maro no hodiovina sy hofotsina ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa dia mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin’ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
11
Ary hatramin’ny andro hampitsaharana ny fanatitra isanandro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roanjato sy arivo.
12
Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telopolo sy telonjato sy arivo.
13
Koa mandehana ianao mandra-piavin’ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana hahazo ny anjara ho anao amin’ny andro farany.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12