bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Daniel 2
Daniel 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 3 →
1
Tamin’ny taona faharoa nanjakany dia nanonofy i Nebokadnezara ka nitebiteby sady tsy nahita tory.
2
Dia nasain’ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy, ny mpisikidy, ny mpitana ody ary ny Kaldeana mba hilaza amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka.
3
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho ka mitebiteby ta hahalala ny hevitry ny nofiko.
4
Dia niteny tamin’ny mpanjaka amin’ny teny arameana ireny Kaldeana ireny hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao! Ambarao aminay mpanomponao ny nofy dia holazainay ny heviny.
5
Dia namaly ireny Kaldeana ireny ny mpanjaka hoe: Efa niloa-bava aho, fa raha tsy ampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny dia hotetitetehina ianareo ary ny tranonareo dia hatao trano fivoahana.
6
Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be. Koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ny heviny.
7
Dia namaly indray ireo hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony dia hambaranay ny heviny.
8
Fa namaly ny mpanjaka hoe: Fantatro marina tokoa fa mandany andro foana ianareo satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.
9
Raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy dia didim-pitsarana iray ihany no miandry anareo; fa ianareo dia miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-piovan’ny toe-javatra. Koa ambarao ahy ny nofy dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko tokoa ianareo.
10
Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka ny Kaldeana hoe: Tsy misy olona mahay milaza izany nofin’ny mpanjaka izany etỳ ambonin’ny tany; fa tsy mbola nisy mpanjaka nila zavatra toy izany tamin’ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana, na dia izay lehibe sy mahery indrindra aza.
11
Sarotra ny zavatra anontanian’ny mpanjaka ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra izay tsy manam-ponenana miaraka amin’ny olona.
12
Dia vinitra sady tezitra dia tezitra ny mpanjaka noho izany ka nasainy naringana ny olon-kendrin’i Babilona rehetra.
13
Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; i Daniela sy ny namany koa dia mba notadiaviny hovonoina.
14
Dia novalin’i Daniela tamim-pahamendrehana sy feno fahendrena i Arioka, lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka izay efa nivoaka hamono ny olon-kendrin’i Babilona.
15
Eny, hoy izy tamin’i Arioka, lehibe voatendrin’ny mpanjaka: Nahoana no dia mafy toy izany ny didy avy amin’ny mpanjaka? Dia nambaran’i Arioka tamin’i Daniela ny zava-nitranga.
16
Dia niditra i Daniela ka nangataka tamin’ny mpanjaka mba hanome andro azy, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
17
Ary nody tany an-tranony i Daniela ka nanambara ilay zavatra tamin’i Hanania sy i Misaela ary i Azaria namany
18
mba hangatahan’ireo famindrampo amin’Andriamanitry ny lanitra ny amin’izany zavamiafina izany ka tsy haringana i Daniela sy ny namany mbamin’ny olon-kendrin’i Babilona rehetra.
19
Dia naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana tamin’ny alina ilay zavamiafina ka nisaotra an’Andriamanitry ny lanitra i Daniela.
20
Hoy i Daniela: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay! Azy ny fahendrena sy ny hery.
21
Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana. Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ny hendry sy fahalalana ho an’izay marani-tsaina.
22
Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ny maizina, ary ny mazava dia mitoetra ao Aminy.
23
Ianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny dia nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; satria nampahafantarinao anay ilay nofin’ny mpanjaka.
24
Ary noho izany i Daniela dia niditra nankao amin’i Arioka izay notendren’ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’i Babilona; eny, nandeha izy ka nilaza taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin’i Babilona; fa ento ho eo anatrehan’ny mpanjaka aho dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
25
Dia noentin’i Arioka haingana ho eo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, sady hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
26
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela izay antsoina koa hoe Beltesazara: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ny heviny va ianao?
27
Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela hoe: Ilay zavamiafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy hain’ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro nolazaina tamin’ny mpanjaka;
28
kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, izay mampiseho zavamiafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga amin’ny ho avy. Ny nofinao sy ny fahitana hitanao teo amin’ny farafaranao dia izao:
29
Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha natory ianao, dia tonga tao an-tsainao ny amin’izay ho avy rahatrizay; ary Ilay mampiseho zavamiafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
30
Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zavamiafina, fa ny mba hampahafantarana anao mpanjaka ilay hevitra ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
31
Nahita ianao, ry mpanjaka ô, fa indro nisy sariolona lehibe iray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara. Nijoro teo anatrehanao izy ary ny fijery azy dia nampahatahotra.
32
Ny lohan’izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
33
ny ranjony dia vy ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
34
Raha nijery azy ianao dia nisy vato voaendaka nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga izany ka nahatorotoro azy.
35
Dia niara-torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy ka tsy nisy tany hitoerany; ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
36
Izany no nofy ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.
37
Ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka ianao fa nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery, fahaleovana sy voninahitra.
38
Ny zanak’olombelona sy ny bibidia ary ny voromanidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’izy rehetra ianao; koa ianao izany loha volamena izany.
39
Manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana, ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
40
Ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no hamakivakiany sy hanorotoroany azy.
41
Hitanao ny tongony sy ny rantsantongony, fa ny tapany dia tanimangan’ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy, dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42
Ary toy ny rantsantongony, ny tapany dia vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany dia ho mafy, ary ny tapany dia ho malemy.
43
Toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia toy izany no hiharoany amin’ny taranak’olombelona: Nefa tsy hitambatra izy, toy ny tsy fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga.
44
Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay; tsy havela ho an’olon-kafa io fanjakana io, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, nefa izy kosa dia hitoetra mandrakizay.
45
Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahina tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay. Marina ny nofy, ary azo antoka ny fanazavana azy.
46
Dia niankohoka teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara mpanjaka ary nampanolotra fanatitra sy hanitra mani-pofona ho azy.
47
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpampiseho zavamiafina ka nahay nampiseho izany zavamiafina izany ianao.
48
Ary tamin’izay ny mpanjaka dia nanandratra an’i Daniela ho lehibe ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka ny faritanin’i Babilona manontolo sy ho lehiben’ny mpanapaka ny olon-kendrin’i Babilona rehetra.
49
Dia nangataka tamin’ny mpanjaka i Daniela mba hanendreny an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego ho tonian’ny raharahan’ny faritanin’i Babilona. Ary i Daniela kosa dia teo am-bavahadin’ny mpanjaka.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12