bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joel 1
Joel 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Joela, zanak’i Petoela.
2
Henoy izao, ry zokiolona! Ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo va izao?
3
Lazao amin’ny zanakareo izao ary aoka hilaza amin’ny zanany kosa ny zanakareo ary ny zanak’ireo kosa indray dia hilaza amin’ny taranaka mandimby azy.
4
Izay sisan’ny kijeja dia nohanin’ny koraika; ary izay sisan’ny koraika dia nohanin’ny valalavao; ary izay sisan’ny valalavao dia nohanin’ny sompanga.
5
Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany!
6
Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; ny nifiny dia nifin’ny lion-dahy, ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy.
7
Nataony simba tokoa ny voaloboko ary notapatapahiny ny aviaviko; nokikisany sy nendahany tanteraka ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
8
Midradradradrà toy ny virijiny misikina lamba fisaonana noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.
9
Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.
10
Rava ny saha, misaona ny tany fambolena; fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, maina ny diloilo.
11
Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpikarakara ny tanim-boaloboka, noho ireo varimbazaha isan-karazany; fa majifa ny vokatry ny saha,
12
maina ny voaloboka, malazo ny aviavy ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny palma ary ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; eny, malazo ny fifalian’ny zanak’olombelona.
13
Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara; andeha mandry amin’ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro, fa tsy ho hita intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina.
14
Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny zokiolona sy ny mponina rehetra amin’ny tany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrareo, ary aoka hitaraina amin’NY TOMPO.
15
Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO ka tahaka ny fandringanana avy amin’ny Tsitoha no fiaviny.
16
Moa tsy efa nesorina teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika?
17
Matimaso ao ambanin’ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitahirizam-bary fa nalazo ny vary.
18
Indrisy ny fitoreon’ny biby! Very hevitra ny andian’omby satria tsy misy ahitra ho azy; eny, na dia ny andian’ny ondry aman’osy aza dia mijaly noho izany.
19
TOMPO ô, Ianao no itarainako! Fa efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra ary nisy lelafo nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
20
Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao satria ritra ny lohasahan-driaka ary efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3