bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joel 2
Joel 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Miantsoa mafy ao amin’ny tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany! Fa avy ny Andron’NY TOMPO, eny, efa antomotra izany,
2
dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan’ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aorianany, hatrany amin’ny taonan’ny taranaka fara aman-dimby.
3
Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
4
Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5
Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6
Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; mivaloarika ny tarehy rehetra.
7
Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin’izay hitsiny avy ka tsy vaky laharana.
8
Tsy mifanosika izy fa samy mandroso amin’izay hitsiny; ary na dia manidina aza ny lefona dia tsy miala an-daharana izy.
9
Mifamoivoy manerana ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ny manda izy, mananika ny trano izy ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10
Eo alohany dia mihorohoro ny tany ary mihozongozona ny lanitra; tonga maizina ny masoandro sy ny volana ary tsy mamirapiratra ny kintana.
11
Ary NY TOMPO mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe ny Andron’NY TOMPO sady mahatahotra indrindra, koa iza no mahatanty izany?
12
Koa na dia ankehitriny aza, hoy NY TOMPO, dia miverena Amiko amin’ny fonareo manontolo, amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
13
Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza.
14
Iza no mahalala raha mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aorianany, dia fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo?
15
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Manamasìna andro fifadian-kanina! Miantsoa fivoriana masina!
16
Angony ny vahoaka! Manamasìna ny fiangonana! Vorio ny zokiolona, angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
17
Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO ka hilazany hoe: Iantrao ny olonao, RY TOMPO ô, ary aza avela ho latsa ny lovanao ka hotapahin’ny Jentilisa; fa nahoana no hataon’ny any amin’ny firenena hoe: Aiza izay Andriamaniny?
18
NY TOMPO dia saro-piaro amin’ny taniny sady miantra ny olony.
19
Eny, NY TOMPO niteny tamin’ny olony hoe: Indro, handefa varimbazaha sy ranom-boaloboka ary diloilo vaovao ho anareo Aho ka ho vokin’izany ianareo; ary tsy havelako ho latsa any amin’ny Jentilisa intsony ianareo.
20
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sady foana; ho any amin’ny ranomasina atsinanana ny lohalalany, ary ho any amin’ny ranomasina andrefana ny vodilalany; hiakatra ny hamaimboany, ary hisondrotra ny fofon-dratsiny fa efa nanao zava-dehibe izy.
21
Aza matahotra, ry tany fambolena, mifalia sy miravoravoa fa manao zava-dehibe NY TOMPO.
22
Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-tany efitra, mamoa ny hazo ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23
Ary ianareo, ry zanak’i Ziona, dia miravoravoa sy mifalia amin’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanome anareo ny lohaorana amin’ny fotoanany Izy ary handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, dia ny lohaorana sy ny faraorana toy ny taloha.
24
Dia ho feno vary ny famoloana ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25
Ary honerako ho anareo ireo taona nohanin’ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26
Hihinana ianareo ka ho voky, ary hidera ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrareo fa mahagaga ny fitondrany anareo; ary tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay.
27
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ny Israely Aho, ary Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3