bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joel 3
Joel 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Rehefa afaka izany dia handrotsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, hanonofy ny zokiolonareo, ary hahita fahitana ny zatovonareo;
2
ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza amin’izany andro izany dia handrotsahako ny Fanahiko.
3
Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina.
4
Hampodina ho haizina ny masoandro, ary ho ra ny volana, alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO, izay sady lehibe no mahatahotra.
5
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay voalazan’NY TOMPO, ary izay antsoin’NY TOMPO dia ho isan’izay sisa velona.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3