bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Malachi 1
Malachi 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Teny faminaniana avy tamin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Malakia ho an’ny Israely.
2
Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO, nefa hoy ianareo: Inona no noentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao? Hoy NY TOMPO; nefa i Jakoba no tiako
3
fa i Esao no halako, koa nataoko tany lao ny tendrombohiny ary ny lovany dia natolotro ho an’ny amboadia any an-tany efitra.
4
Na dia hiteny aza i Edoma hoe: Torotoro izahay, nefa mbola hatsanganay indray ny efa rava, dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ireo dia hanangana fa Izaho kosa handrava; dia hantsoina hoe: Tanin’ny faharatsiam-panahy izy, dia firenena eo ambanin’ny fahatezeran’NY TOMPO mandrakariva izy.
5
Ny masonareo no hahita ka hiteny ianareo hoe: NY TOMPO dia lehibe any ankoatran’ny tanin’ny Israely.
6
Ny zanaka dia manaja ny rainy ary ny mpanompo dia manaja ny tompony. Koa raha Ray Aho, aiza ary izay mba hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, aminareo mpisorona izay manamavo ny anarako. Hoy ianareo hoe: Amin’inona no anamavoanay ny anaranao?
7
Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba.
8
Ary raha biby jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra dia hoe tsy ratsy va izany? Ary raha mandringa sy marary no entinareo dia hoe tsy ratsy va izany? Mba atolory ho an’ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
9
Koa miangavy anareo aho, andeha mifona amin’Andriamanitra mba hamindrany fo amintsika, fa ny tananareo no nahatonga izao: Moa handray anareo amim-pankasitrahana va Izy? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
10
Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana mba tsy handrehetana afo foana eo ambonin’ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na handray fanatitra avy amin’ny tananareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
11
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa. Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
12
Fa manamavo izany kosa ianareo amin’ny ilazanareo hoe: Voaloto ny latabatry NY TOMPO, ary ny hanina raisina avy eo dia tsinontsinona.
13
Hoy koa ianareo: Zava-manasatra foana izao! Dia ahifikareo izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Zavatra nalaina an-keriny sy mandringa ary marary no entinareo atolotra ho fanatitra. Moa handray izany avy amin’ny tananareo va Aho? Hoy NY TOMPO.
14
Ho voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin’ny andian’ondriny ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny anarako dia atahorana any amin’ny Jentilisa.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3