bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Malachi 3
Malachi 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Indro, haniraka ny irako Aho ary izy no hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ny fanekena izay irinareo dia indro, tamy Izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
2
Nefa iza no hahatanty ny andro hiaviany? Ary iza no hahajanona rehefa miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba.
3
Hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy ary handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, dia ho an’NY TOMPO ireny, ho mpanolotra fanatitra amim-pahamarinana.
4
Dia ho mamin’NY TOMPO, toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha, ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema.
5
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona hanameloka haingana ny mpitana ody, ny mpijangajanga, ny mpanao fianianana mandainga ary ny mpampahory ny mpikarama mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty, izay mampahory ny vahiny fa tsy matahotra Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
6
Fa Izaho TOMPO dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana.
7
Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena Amiko dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverenanay?
8
Afaka handroba an’Andriamanitra va ny olona? Satria mandroba Ahy ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin’ny fahafolonkarena sy ny anjara fanomezana.
9
Tratry ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia ianareo firenena iray manontolo izao.
10
Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano fitahirizako mba hasian-kanina ao an-tranoko; izahao toetra amin’izany Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, raha tsy hovohako ho anareo ny varavaran’ny lanitra ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
11
Hasiako teny mafy noho ny aminareo ny valala ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny fa hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
12
Ary hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo, fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
13
Ny teninareo dia mahery mamely Ahy, hoy NY TOMPO. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay noentinay namely Anao?
14
Tamin’ny nitenenanareo hoe: Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona moa no soa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao?
15
Ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, ambinina izay nanao izay ratsy, sady naka fanahy an’Andriamanitra izy nefa afa-nandositra ihany.
16
Tamin’izany, izay natahotra NY TOMPO dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary NY TOMPO nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra NY TOMPO sy mihevitra ny anarany.
17
Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ho antra azy Aho, toy ny olona antra ny zanany lahy izay manompo azy.
18
Dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
19
Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka tsy hasiany miangana, na ny fotony na ny sampany.
20
Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny masoandron’ny fahamarinana, mitondra fanasitranana eny amin’ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifaly havanja toy ny zanak’omby mifahy.
21
Hohitsahinareo ny ratsy fanahy, fa ho lavenona ao ambanin’ny faladianareo izy amin’ny andro izay hotendreko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
22
Tsarovinareo ny lalànan’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Israely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
23
Indro, haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo Aho, dieny tsy mbola tonga ny Andron’NY TOMPO, ilay lehibe sady mahatahotra.
24
Ary Izy no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3