bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Malachi 2
Malachi 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Ankehitriny ry mpisorona, ho anareo izao didy izao:
2
Raha tsy mihaino Ahy ianareo, raha tsy mandatsaka am-po ka tsy manome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia halefako hamely anareo ny ozona ka hozoniko ny tsodrano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
3
Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
4
Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
5
Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana, ary nomeko azy ho fahatahorana izany ka natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy.
6
Ny lalànan’ny fahamarinana no teo am-bavany ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no niverina niala tamin’ny heloka.
7
Fa ny molotry ny mpisorona dia tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna dia hotadiavina eo am-bavany, satria izy dia irak’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
8
Fa efa nivily lalana kosa ianareo sady nanafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ilay fanekena tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
9
Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’olona eo amin’ny fampiharanareo ny lalàna.
10
Tsy mpiombona ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny faneken’ny razantsika?
11
Ny Joda dia efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin’ny Israely sy eto Jerosalema. Fa efa nandoto ny fitoera-masin’NY TOMPO izay tiany ny Joda: Nanambady ny zanakavavin’ny andriamanitra hafa izy.
12
Enga anie ka hofongoran’NY TOMPO hiala amin’ny tranolain’i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
13
Faharoan’izany, izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’NY TOMPO ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra ary tsy hankasitraka na inona na inona avy amin’ny tananareo Izy.
14
Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria NY TOMPO no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15
Nahoana no nisy iray nanao izany nefa mba manam-panahy ihany? Taranaka araka an’Andriamanitra anefa no notadiavin’ilay iray. Koa tandremo ny fiainanareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
16
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.
17
Efa manasatra NY TOMPO amin’ny teninareo ianareo, nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy? Amin’ny ilazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’NY TOMPO ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana?
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3