bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Titus 1
Titus 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
I Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy apostolin’i Jesosy Kristy, mba hampandroso ny finoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mifanaraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra,
2
amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
3
fa tamin’izay andro voatendry dia nasehony tamin’ny toriteny izay natolotra ho adidiko ny teniny, araka ny didin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4
ho an’i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika: Ho aminao anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5
Izao no namelako anao tany Kreta dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka, ary hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka izay nandidiako anao:
6
Ho olona tsy manan-tsiny ny loholona, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra.
7
Fa ny mpitondra fiangonana dia tokony ho tsy manan-tsiny, tahaka ny mpitandrina ny an’Andriamanitra izy, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo liana ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto;
8
fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahafehy tena,
9
mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
10
Fa maro no maditra, mpiteniteny foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ny voafora;
11
tsy maintsy hotampenam-bava ireo fa mampivadika fianakaviana maro sady mampianatra izay tsy mety mba hahazoany harena maloto.
12
Hoy ny iray amin’ireny izay mpaminany teo aminy: Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby masiaka, kamo be tenda.
13
Marina ireo teny vavolombelona ireo. Noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana
14
ka tsy hitandrina ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didin’ny olona izay mivily miala amin’ny fahamarinana.
15
Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa samy voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
16
Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy ireny nefa mandà Azy amin’ny asany. Olona tsy maha te ho tia sady mpikomy ary tsy mahavita asa tsara na dia iray aza izy ireny.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3