bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Titus 2
Titus 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Fa ianao kosa dia milazà izay mendrika ny fampianarana tsy misy kilema.
2
Anaro hahonon-tena ny lehilahy zokiolona, ho maotina, ho hendry ary hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana.
3
Ny vehivavy zokiolona koa dia anaro hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
4
mba hampianarany ny vehivavy tanora ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
5
hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.
6
Anaro hahonon-tena koa ny lehilahy tanora;
7
amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao madio sy maotina,
8
ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo kianina, mba ho menatra izay manohitra satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.
9
Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony mba hanao izay ankasitrahany amin’ny zavatra rehetra fa tsy hamalivaly,
10
tsy hangala-tety, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.
11
Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra izay famonjena ny olona rehetra.
12
Izany dia mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao fa ny mba ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,
13
eo am-piandrasana ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy.
14
Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.
15
Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao!
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3