bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Titus 3
Titus 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Mampahatsiarova azy hanaiky izay mitondra sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,
2
tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.
3
Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.
4
Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5
dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina,
6
izay narotsany betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7
mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
8
Mahatoky ireo teny ireo, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, ho an’izay mino an’Andriamanitra ka mieritreritra hamirapiratra amin’ny asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
9
Fa halaviro kosa ny fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady teny ny amin’ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
10
Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray mandeha na indroa, dia ialao
11
satria fantatrao fa efa mivadika izay manao izany ka sady manota izy no manamelo-tena koa.
12
Rehefa maniraka an’i Artema na i Tikiko ho atỳ aminao aho dia miezaha hankany amiko any Nikopolia ianao fa mikasa handany ny ririnina any aho.
13
Vatsio tsara i Zena mpahay lalàna sy i Apolosy mba tsy hisy izay hanahirana azy.
14
Aoka koa ny olontsika hianatra hazoto amin’ny asa tsara mba hahazoany izay zavatra tena ilainy fa tsy mba ho isan’izay tsy mamokatra izy.
15
Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Veloma any amin’izay rehetra tia antsika amin’ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana!
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3