bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zephaniah 1
Zephaniah 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona mpanjakan’ny Joda:
2
Haringako tsy ho eny ambonin’ny tany tokoa ny zavatra rehetra, hoy NY TOMPO;
3
eny, haringako ny olona sy ny biby; haringako ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ny ratsy fanahy; haringako tsy ho eo amin’ny tany ny olona, hoy NY TOMPO.
4
Manainga ny tanako Aho mba hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho eo amin’ity toerana ity ny sisa amin’ny Baala sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamanitra tsy izy mbamin’ny tena mpisorona
5
ary izay mivavaka any an- tampon-trano amin’izay eny amin’ny lanitra sy izay miankohoka sy mianiana fa an’NY TOMPO nefa koa mianiana amin’i Milkoma,
6
mbamin’izay nihemotra niala tamin’NY TOMPO sy izay tsy nitady NY TOMPO na nila hevitra taminy.
7
Mangina eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO; ary NY TOMPO efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra ka efa nanamasina ny olona nasainy.
8
Ary raha tonga amin’ny andro hamonoan’NY TOMPO zavatra hatao fanatitra dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka, mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa.
9
Amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, dia ireo mameno herisetra sy fitaka ny tranon’ny Tompony.
10
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hisy feo re mitaraina avy any amin’ny Vavahadin-kazandrano sy fidradradradrana avy ao amin’ny Tanàna ambany ary fidarabohana miezinezina any amin’ny havoana.
11
Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy! Fa ringana avokoa ny mpivaro-mandeha rehetra; eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
12
Amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro i Jerosalema, koa hovaliako ny olona izay efa lefy toy ny divay misy faikany, dia izay miteny anakampo hoe: Sady tsy hanao soa NY TOMPO no tsy hanao ratsy.
13
Ho tonga babo ny fananan’ireny ary ho lao ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
14
Efa antomotra ny Andro lehiben’NY TOMPO; eny, efa antomotra sady miha haingana indrindra. Injany ny feon’ny Andron’NY TOMPO, mitomany mafy any ny lehilahy mahery.
15
Andron’ny fahatezerana izany andro izany, andron’ny fahoriana sy tebiteby, andron’ny fandringanana sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.
16
Andron’ny feon’ny anjomara sy ny horakoraka, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda.
17
Hampahory ny olona Aho: Handeha toy ny jamba izy satria efa nanota tamin’NY TOMPO; haely toy ny vovoka ny rany, ary ho toy ny fako ny fatiny.
18
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; fa ny afon’ny fahasaro-piarony no handevonany ny tany rehetra; fa fahafonganana tena mahatsiravina no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3