bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zephaniah 2
Zephaniah 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Miangòna; eny, mivoria ianareo ry firenena tsy manan-kenatra,
2
dieny tsy mbola mihatra ny didy, fa mihelina toy ny akofa ny andro, dieny tsy mbola tonga aminareo ny hamafin’ny hatezeran’NY TOMPO; eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO!
3
Mitadiava NY TOMPO ianareo mpanetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny! Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fanetren-tena! Angamba ho voafina ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO.
4
Fa hafoy i Gaza, ho lao i Askelona; horoahina mitataovovonana i Asdoda ary hofongorana i Ekrona.
5
Lozan’ny mponina any amoron-tsiraka, dia ny firenen’ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Kanana, tanin’ny Filistina, haringako tsy hisy mponina eo aminao!
6
Ny moron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, ho toeram-piandrasan’ny mpiandry ondry sy ho valan’ondry aman’osy.
7
Ho tanin’ny sisa amin’ny taranak’i Joda izany ka any no hiandrasany ondry. Ao amin’ny tranon’i Askelona no handriany amin’ny hariva, fa NY TOMPO Andriamaniny no hamangy azy ka hampody azy avy amin’ny fahababoany.
8
Efa reko ny latsa ataon’i Moaba sy ny fanaratsiana ataon’ny taranak’i Amona izay nandatsany ny oloko sy nireharehany teny amin’ny sisintaniny.
9
Koa raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, dia ho tahaka an’i Sodoma tokoa i Moaba, ary ny taranak’i Amona dia ho tahaka an’i Gomora, ho toerana feno ahi-dratsy sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; ny sisa amin’ny oloko no hamabo azy ary ny sisa amin’ny fireneko no hahalasa azy.
10
Izany no ho valin’ny avonavony satria nandatsa ny olon’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, sy nirehareha taminy izy.
11
Hahatahotra azy NY TOMPO satria hanafoana ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany Izy; hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO ny nosin’ny Jentilisa rehetra, samy any amin’ny fitoerany avy.
12
Ianareo Kosita koa, ho voatrobaky ny sabatro ianareo.
13
Hanainga ny tanany hamely ny avaratra Izy ka handringana an’i Asiria; hahalao an’i Ninive ho karankaina tahaka ny tany efitra Izy.
14
Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera.
15
Izany no tanàna niravoravo sady nandry fehizay, izay niteny anakampo hoe: Izaho no izy ary tsy misy hafa! Endre! Tonga lao izy; eny, fandrian’ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisiotsioka mafy sy hanondro tanana azy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3