bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Zephaniah 3
Zephaniah 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Lozan’ny tanàna mikomy sady voaloto, dia ilay mampahory!
2
Tsy nihaino ny feo izy na nino anatra; tsy nitokiany NY TOMPO, tsy nanatona an’Andriamaniny izy.
3
Ireo lehibe ao aminy dia liona mierona. Ny mpitsarany dia ny amboadia hariva izay tsy mamela ho tra-maraina.
4
Ny mpaminaniny dia avo vava sady mpamitaka. Ny mpisorony dia mandoto izay masina; eny, manitsakitsaka ny lalàna izy.
5
NY TOMPO no marina ao afovoany, tsy manao izay tsy marina Izy. Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava ka tsy mba diso izany; nefa tsy mba mahalala henatra ny olona tsy marina.
6
Efa nahafongana firenena Aho, rava ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda; nosimbako ny lalany ka tsy hisy mpandeha! Rava ny tanànany ka tsy misy olona; eny, tsy misy mponina.
7
Hoy Aho: Raha mba natahotra Ahy tokoa mantsy ianao ka nino anatra dia tsy ho rava ny fonenanao araka izay rehetra namelezana anao. Kanefa nifoha vao maraina izy ka nanao izay ratsy rehetra.
8
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ambara-piavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho mba hanamparako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra; koa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
9
Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’NY TOMPO sy hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.
10
Avy any andafin’ny onin’i Etiopia no hitondran’ny mpivavaka Amiko, dia ny zanakavavin’ireo izay naeliko, ny fanatitra ho Ahy.
11
Amin’izany andro izany dia tsy hitsanga-menatra ianao ny amin’izay nataonao rehetra, izay nanotanao Tamiko; fa hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana ary tsy hiavonavona ao amin’ny tendrombohitro masina intsony ianao.
12
Nefa hamelako olona mahantra sy madinika ihany ao aminao ary ny anaran’NY TOMPO no hialofany.
13
Tsy hanao heloka na handainga intsony ny sisa amin’ny Israely. Tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany fa ho afaka mihinana sy mandry izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.
14
Mihobia, ry Ziona zanakavavy! Manaova feo fifaliana, ry Israely! Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao manontolo, ry Jerosalema zanakavavy!
15
NY TOMPO efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao. NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony ianao.
16
Amin’izany andro izany dia holazaina amin’i Jerosalema hoe: Aza matahotra ry Ziona; eny, aza miraviravy tanana!
17
NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy; hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy; hangina amin’ny fitiavany Izy; hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy.
18
Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.
19
Amin’izany andro izany dia hasiako izay rehetra nampahory anao; hovonjeko ny mandringa ary hovoriko ny noroahina. Hataoko ho fiderana sy ho voninahitra ireny, any amin’ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra.
20
Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miverina; eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo. Fa hataoko ho voninahitra sy ho laza any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ianareo, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy NY TOMPO.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3