bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Joshua 3
Joshua 3
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
1
Dia nifoha vao maraina i Josoa ary izy sy ny Zanak’Israely rehetra dia niala tany Sitima ka nankany Jordana ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
2
Rehefa afaka hateloana dia nandeha namakivaky ny toby ny mpifehy
3
ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo entin’ny levita* mpisorona dia miaingà avy amin’izay itoeranareo ka manaraha azy.
4
Kanefa asio elanelany tokony ho roa arivo hakiho* aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy, mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
5
Ary hoy i Josoa tamin’ny olona: Manamasìna ny tenanareo fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo NY TOMPO.
6
Ary niteny tamin’ny mpisorona i Josoa hoe: Ento ny vata misy ny Fanekena* ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny vata misy ny Fanekena izy ireo ka nandeha teo anoloan’ny olona.
7
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Anio Aho no hanomboka hanandratra anao eo imason’ny Israely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa.
8
Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny Fanekena hoe: Rehefa tody eo amin’ny moron’ny ranon’i Jordana ianareo dia mijanòna ihany eo amin’ny Jordana.
9
Ary niteny tamin’ny Zanak’Israely i Josoa hoe: Manatòna atỳ ka mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitrareo.
10
Dia hoy i Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita, ny Hetita, ny Hivita, ny Perizita, ny Girgasita, ny Amorita ary ny Jebosita:
11
Indro, mandroso eo alohanareo ao anatin’i Jordana izao ny vata misy ny faneken’ny Tompon’ny tany rehetra.
12
Koa ankehitriny, makà lehilahy roa amby folo amin’ny fokon’ny Israely ho anareo, dia iray avy isam-poko;
13
ary raha vao miroboka ao amin’ny ranon’i Jordana ny faladian’ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra iray.
14
Rehefa niainga niala tamin’ny tranolainy hita an’i Jordana ny olona ary nitondra ny vata misy ny Fanekena eo alohany ny mpisorona
15
ka tonga teo amin’i Jordana ireo izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena tamin’ny sisin-drano ny tongony, satria tondraka nihoatra ny morony rehetra i Jordana mandritra ny fararano,
16
dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama, izay eo anilan’i Zaretana; eny, tena tapaka ny rano izay nidina ho any amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, dia ny Ranomasintsira; ary nita tandrifin’i Jeriko ny olona.
17
Ary ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nijoro tsara tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana ary ny Israely rehetra dia nandeha tamin’ny tany maina mandra-pahatafitan’izy rehetra an’i Jordana.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24