bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Joshua 4
Joshua 4
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
1
Rehefa tafita an’i Jordana avokoa ny olona rehetra dia hoy NY TOMPO tamin’i Josoa:
2
Makà lehilahy roa amby folo amin’ny olona, dia iray avy isam-poko,
3
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa amby folo avy eo afovoan’i Jordana, eo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo ka apetraho eo amin’izay handrianareo anio alina.
4
Dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy roa amby folo izay nofidiny tamin’ny Zanak’Israely, iray avy isam-poko,
5
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ny vata misy NY TOMPO Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, koa samia maka sy milanja vato iray eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely,
6
mba ho famantarana eo aminareo izany. Raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo aminareo?
7
Dia holazainareo aminy hoe: Tapaka teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny ranon’i Jordana; eny, tamin’ny nitan’ny vata misy ny Fanekena* an’i Jordana dia tapaka ny rano; ary ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny Zanak’Israely ireo vato ireo.
8
Dia nanatanteraka izay nandidian’i Josoa ny Zanak’Israely ka naka vato roa amby folo teo afovoan’i Jordana, araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Josoa, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely, ka noentiny nita niaraka taminy ho eo amin’izay nitobiany ireo ka napetrany teo.
9
Vato roa amby folo no natsangan’i Josoa tao Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
10
Nijanona teo afovoan’i Jordana ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena, mandra-pahavitan’ny zavatra rehetra izay nandidian’NY TOMPO an’i Josoa holazaina amin’ny olona, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa; avy eo vao nita haingana ny olona.
11
Rehefa tafita avokoa ny olona rehetra dia nita teo anoloan’ny olona koa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ireo mpisorona.
12
Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ny Zanak’Israely koa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.
13
Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan’NY TOMPO mba hanafika any amin’ny tany ngazana any Jeriko.
14
Tamin’izany andro izany no nanandratan’NY TOMPO an’i Josoa teo imason’ny Israely rehetra; dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany.
15
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa:
16
Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny Vavolombelona mba hiakatra hiala ao Jordana.
17
Dia nandidy ny mpisorona i Josoa hoe: Miakara hiala ao Jordana ianareo.
18
Ary rehefa niakatra niala avy tao afovoan’i Jordana ireo mpisorona izay nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ireo ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ny tanety dia avy indray ny ranon’i Jordana nankamin’ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
19
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana voalohany no niakatra niala teo Jordana ny olona ka nitoby tany Gilgala, teo amin’ny sisintany atsinanan’i Jeriko.
20
Ireo vato roa amby folo nalainy tao Jordana dia natsangan’i Josoa tany Gilgala.
21
Dia hoy izy tamin’ny Zanak’Israely: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo?
22
Dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ny tany maina no nitan’ny Israely ity Jordana ity.
23
Fa nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo maina teo anoloanareo ny lalana falehan’ny rano Jordana mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika
24
mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa mahery ny tanan’NY TOMPO ary mba hatahorany mandrakizay NY TOMPO Andriamanitrareo.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24