bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Joshua 9
Joshua 9
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
1
Raha nandre izany ny mpanjaka rehetra izay tetỳ andafin’i Jordana, na ny tany amin’ny havoana na ny tany Sefela na ny tany amoron’ny Ranomasina Lehibe tandrifin’i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,
2
dia niray hina ka niangona hiady amin’i Josoa sy ny Israely.
3
Ary ny mponina tao Gibeona dia nahare izay nanaovan’i Josoa an’i Jeriko sy i Ay
4
ka nanao hafetsena kosa izy ary nandeha ho eny niseho ho iraka, nitondra kitapo tonta nasampiny teo amin’ny borikiny; misy koa siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
5
kapa tonta sady nitampintampina no teo amin’ny tongony ary lamba tonta no notafiany; ary efa maina sy potipotika ny mofo rehetra izay vatsiny.
6
Dia nankany amin’i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin’ny Israelita hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny, mba manaova fanekena aminay ianareo.
7
Ary hoy ny Israelita tamin’ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, koa hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
8
Fa hoy izy tamin’i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy i Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza?
9
Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra be izahay mpanomponao noho ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta
10
ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita izay tany andafin’i Jordana, dia i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, izay tany Astarota.
11
Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ny haleha, dia mandehana hitsena azy ka lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
12
Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin’ny andro nandehananay hankaty aminareo; nefa ankehitriny, indro efa maina sy potipotika izany.
13
Vaovao koa ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; nefa indreo, efa triatra izy ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny lalana.
14
Ary nakan’ny olona ny vatsin’ireo nefa tsy nanontany tamin’ny vavan’NY TOMPO izy.
15
Ary nanao fihavanana taminy i Josoa ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
16
Nony afaka hateloana taorianan’ny nanaovany fanekena taminy dia reny fa mpifanakaiky aminy ihany ireo sady mpiara-mitoetra eo aminy.
17
Dia niainga ny Zanak’Israely ka tonga tany an-tanànan’ireo tamin’ny andro fahatelo. Ary ny tanànany dia Gibeona, Kefira, Berota ary Kiriata-Jearima.
18
Nefa tsy namely azy ny Zanak’Israely satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ireo loholona ny fiangonana rehetra.
19
Nefa hoy ny loholona rehetra tamin’ny fiangonana manontolo: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianiananay taminy, koa ankehitriny dia tsy mahazo mamely azy isika.
20
Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
21
Koa hoy ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra izy ireo, araka ny teny nataon’ny loholona taminy.
22
Dia niantso azy ireo i Josoa ka niteny taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nilaza hoe: Lavitra be anareo izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
23
Koa ankehitriny voaozona ianareo ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitro ianareo.
24
Dia namaly an’i Josoa izy ireo hoe: Satria nambara taminay mpanomponao tokoa fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloanareo, koa natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, dia nanao izany zavatra izany.
25
Ary ankehitriny, indreto eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay ary no ataovy.
26
Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny Zanak’Israely mba tsy hahafaty azy ireo.
27
Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24