bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Genesis 12
Genesis 12
malagasy
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 13 →
1
[Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta] Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
2
dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
3
ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
4
Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
5
Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
6
Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
7
Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
8
Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
9
Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
10
Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany.
11
Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
12
ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13
Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
14
Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
15
Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.
16
Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
17
Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.
18
Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19
Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
20
Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50