bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Genesis 28
Genesis 28
malagasy
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 29 →
1
Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao.
2
Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
3
Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
4
ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
5
Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
6
Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao;
7
koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
8
ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
9
dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.
10
[Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Jakoba tao Betela] Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
11
Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
12
Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13
Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
14
ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
15
Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
16
Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
17
Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
18
Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
19
Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.
20
Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
21
ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
22
ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50