bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Genesis 40
Genesis 40
malagasy
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 41 →
1
[Ny nilazan'i Josefa ny nofin'izy roa lahy tandapan'i Farao] Ary taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.
2
Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
3
Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.
4
Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
5
Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
6
Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
7
Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
8
Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
9
Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
10
ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
11
Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
12
Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
13
Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
14
Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;
15
fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.
16
Ary rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin'i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
17
ary teo anatin'ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay nololohaviko izany.
18
Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
19
Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo ianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao.
20
Ary tamin'ny andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
21
Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy;
22
fa ny lehiben'ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa lahy avy.Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
23
Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50