bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Isaiah 29
Isaiah 29
malagasy
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 30 →
1
[Ny loza hanjo an'i Jerosalema, sy ny mbola hamonjena azy] Lozan'i Ariela, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; [Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][Heb. nitobian']
2
Dia hampahory an'i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
3
Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
4
Dia haetry ianao ka hiteny ao amin'ny tany, ary ao amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin'ny tany tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin'ny vovoka no ikiakiahan'ny teninao.
5
Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
6
Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hihavian'ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
7
Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
8
Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
9
Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
10
Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
11
Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
12
Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
13
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
14
Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
15
Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
16
Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
17
Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
18
Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
19
Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
20
Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
21
Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
22
Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
23
Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
24
Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66