bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Isaiah 63
Isaiah 63
malagasy
← Chapter 62
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 64 →
1
[Ny hamaliana an'i Edoma sy ny jentilisa sasany koa] Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
2
Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an'izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
3
Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
4
Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan'ny voavotro.
5
Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
6
Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.
7
[Fivavahana sy fiaiken-keloka ary fiderana noho ny famonjen'Andriamanitra hatramin'ny taloha] Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.
8
Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
9
Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.
10
Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
11
Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin'i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin'ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin'ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
12
Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan'i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
13
Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan'ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
14
Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
15
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
16
Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
17
Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
18
Vetivety foana no nananan'ny olonao masina ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina.Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]
19
Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]
← Chapter 62
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 64 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66