bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Isaiah 60
Isaiah 60
malagasy
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
1
[Ny ho voninahitr'i Jerosalema amin'ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
2
Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
3
Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.
4
Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
5
Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.
6
Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
7
Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
8
Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
9
Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
10
Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
11
Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
12
Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
13
Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
14
Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely.
15
Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16
Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
17
Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]
18
Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
19
Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
20
Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
21
Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
22
Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66