bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Proverbs 13
Proverbs 13
malagasy
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
1
Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
2
Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
3
Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.[Na: ny fanahiny]
4
Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
5
Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
6
Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
7
Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
8
Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
9
Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
10
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
11
Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
12
Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
13
Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena]
14
Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
15
Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika.
16
Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
17
Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.[Na: fanasitranana]
18
Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
19
Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. [Na: efa mitranga]
20
Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza.[Na: ho ratsy]
21
Ny mpanota dia enjehin'ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
22
Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
23
Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan'izay tsy rariny.
24
Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
25
Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31