bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Proverbs 24
Proverbs 24
malagasy
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
1
Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
2
Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.
3
Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
4
Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5
Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
6
Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
7
Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.[Na: Ataon'ny adala ho haingohaingo foana ny fahendrena]
8
Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9
Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
10
Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
11
Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
12
Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.[Na: io]
13
Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;[Heb.lanilaninao]
14
Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
15
Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
16
Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.[Na: ka idiran-doza]
17
Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
18
Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
19
Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20
Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.[Heb. farany]
21
Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;[Na: hafa saina noho izany]
22
Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny? [Heb. taonany]
23
Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24
Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
25
Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
26
Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.
27
Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
28
Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?
29
Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
30
Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
31
Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
32
Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
33
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
34
Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31