bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Proverbs 4
Proverbs 4
malagasy
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
1
[Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2
Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3
Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy]
4
Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5
Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6
Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7
Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]
8
Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9
Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10
Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11
Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
12
Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13
Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
14
Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
15
Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
16
Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
17
Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
18
Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
19
Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20
Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21
Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22
Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
23
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. [Heb. fivoahan']
24
Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25
Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26
Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara izay]Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
27
Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31