bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Luke 16
Luke 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
1
Ary hoy koa i Jesoa tamin’ny mpianany: «Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany.
2
Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‹Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.›
3
Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakam-po hoe: ‹Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy.
4
Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rehefa esorina amin’ny raharahako aho.›
5
Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‹Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?›
6
‹Diloilo injaton’ny barìka ›, hoy io. Dia hoy ny mpitandrina taminy: ‹Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.›
7
Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‹Hoatrinona kosa ny trosa aminao?› ‹Vary injaton’ny famarana›, hoy izy. Dia hoy ilay mpitandrina: ‹Raiso ny taratasinao ka soraty valopolo.›
8
Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.»
9
«Ka hoy Aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo.
10
Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky koa amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe.
11
Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?
12
Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?»
13
«Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.»
14
Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy.
15
Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo dia mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra kosa.»
16
«Ny Lalàna sy ny Mpaminany no niroso hatramin’i Joany, fa hatramin’i Joany kosa dia ny Fanjakan’Andriamanitra no torina, ka samy mikezaka hiditra ao ny olona.»
17
«Moramora kokoa ny hahalevonan’ny tany aman-danitra noho ny tsy hahatanterahan’ny Lalàna na dia ny tendri-tsoratra iray aza.»
18
«Izay rehetra misao-bady ka manambady hafa dia mijangajanga, ary izay manambady ny efa voasaotra dia mijangajanga koa.»
19
«Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro.
20
Ary nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny.
21
Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanan-karena izy, fa ny alika aza no tonga ka nilelaka ny feriny.
22
Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny Anjely tany an-tratran’i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina.
23
Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany,
24
ka niantso izy nanao hoe: ‹Ry kiaky Abrahama ô! mamindra fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity.›
25
Fa hoy i Abrahama taminy: ‹Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao ianao moa nahita soa, ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana.
26
Sady amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te hiala atỳ hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atỳ.›
27
Dia hoy izy: ‹Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko
28
(fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy ny marina, fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.›
29
Fa hoy i Abrahama taminy: ‹Manana an’i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an’ireo izy.›
30
Fa hoy izy: ‹Tsia re, ry ikaky Abrahama ô! Fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy.›
31
Fa hoy i Abrahama taminy: ‹Raha tsy mihaino an’i Môizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana avy any amin’ny maty aza.› »
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24