bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Luke 4
Luke 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
1
Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro,
2
sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.
3
Dia hoy ny devoly taminy: «Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io.»
4
Fa hoy i Jesoa taminy: «Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra»
5
Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao,
6
ary hoy izy taminy: «Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa.
7
Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy.»
8
Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao»
9
Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any;
10
fa efa voasoratra hoe: ‹Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny,
11
ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »
12
Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao.› »
13
Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.
14
Tamin’izay i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
15
Nampianatra tao amin’ny sinagogan’izy ireo izy, ka nankalazain’izy rehetra.
16
Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagoga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
17
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:
18
«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
19
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.»
20
Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy; ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagoga.
21
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: «Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.»
22
Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: «Tsy ny zanak’i Josefa va ity?»
23
Ary hoy kosa i Jesoa taminy: «Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‹Dokotera, sitrano aloha ny tenanao? Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.› »
24
Dia notohiziny hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
25
Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
26
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidona ihany;
27
ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany.»
28
Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagoga raha nandre izany,
29
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana;
30
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.
31
Ary nidina tany Kafarnaoma tanànan’i Galilea Izy, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,
32
ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.
33
Tao amin’ny sinagoga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto, ka niantso mafy
34
nanao hoe: «Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»
35
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: «Mangina, ary mialà amin’io lehilahy io.» Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory.
36
Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: «Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny.»
37
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.
38
Nony nitsangana niala tao amin’ny sinagoga i Jesoa dia niditra tao an-tranon’i Simôna. Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozam-bavin’i Simôna tamin’izay, ka niangavian’ny olona Izy hanasitrana azy.
39
Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.
40
Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy Izy, dia nahasitrana azy.
41
Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: «Ianao no Zanak’Andriamanitra,» fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho Kristy.
42
Raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy. Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy, ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona azy tsy hisaraka aminy intsony;
43
fa hoy Izy taminy: «Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.»
44
Dia nitory teny tao amin’ny sinagogan’i Galilea manontolo Izy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24