bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Luke 18
Luke 18
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
1
Ary nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.
2
Hoy Izy: «Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy menamaso olona.
3
Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‹Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko›;
4
fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakam-po: ‹Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy menamaso olona,
5
dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.›
6
Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina,
7
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy?
8
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana etỳ ambonin’ny tany Izy?»
9
Dia nanao ity fanoharana ity koa Izy, mankamin’ny sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany:
10
«Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-Tempoly: Farisianina ny iray ary Poblikanina ny anankiray.
11
Nitsangana ilay Farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‹Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy Poblikanina itsy akory aza;
12
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.›
13
Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‹Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.›
14
Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina, tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»
15
Ary nisy koa olona nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana: fa nony nahita izany ny mpianatra dia niteny azy ireo.
16
Nefa nantsoin’i Jesoa hankeo aminy kosa ireo ka nataony hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zazakely, ary aza sakanana izy, fa ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.
17
Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any akory.»
18
Ary nisy lehibe anankiray nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazahoako ny fiainana mandrakizay?»
19
Dia hoy i Jesoa taminy: «Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe: tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
20
Fantatrao ny didy hoe: ‹Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza miampanga lainga, manajà ny rainao aman-dreninao.› »
21
Dia hoy izy: «Efa nitandrina izany rehetra izany hatry ny fony kely aho.»
22
Nony nandre izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary avia hanaraka Ahy.»
23
Fa nony nandre izany teny izany izy, dia nanjonitra, satria mpanan-karen-doatra izy.
24
Koa hoy i Jesoa nony nahita azy nalahelo; «Akory ity hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
25
Fa moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»
26
Dia hoy izay nihaino hoe: «Iza àry no ho voavonjy?»
27
Ka hoy ny navaliny: «Izay tsy azon’ny olona atao, dia azon’Andriamanitra atao.»
28
Ary hoy i Piera: «Indro izahay efa nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.»
29
Dia hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza handao ny tranony, na ny havany, na ny rahalahiny, na ny vadiny, na ny zanany noho ny fanjakan’Andriamanitra,
30
dia sady hahazo bebe kokoa amin’izao fiainana izao, no hanana ny fiainana mandrakizay any aoriana.»
31
Nony inona dia nalain’i Jesoa manokana ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany hoe: «Indro miakatra ho any Jerosalema isika, ka ho tanteraka izay rehetra nosoratan’ny mpaminany ny amin’ny Zanak’olona:
32
fa hatolotra amin’ny Jentily Izy ka hoesoina, holatsaina, hororàna,
33
ary rehefa voakapoka dia hovonoina, fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.»
34
Tsy nisy azon’izy ireo anefa izany, fa teny miafina ho azy ka tsy fantany akory izay heviny.
35
Nony mby tao akaikin’i Jerikô Izy, dia nisy kosa jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy dia nanontany hoe «Inona izany?»
37
ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
38
Dia niantso izy nanao hoe: «Ry Jesoa Zanak’i Davida ô! mamindrà fo amiko.»
39
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo amiko e!»
40
Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy nentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
41
«Inona no tianao hataoko aminao?» Ary hoy izy: «Mba hahiratra aho, Tompoko.»
42
Dia hoy i Jesoa taminy: «Mahirata, ny finoanao no nahavonjy anao.»
43
Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka azy sy nankalaza an’Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24