bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Luke 17
Luke 17
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
1
Ary hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany: «Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza no hanjò an’izay iaviany!
2
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy, toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
3
Koa mitandrema ianareo.» «Raha diso aminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy.
4
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‹Mifona aho›, dia mamelà.»
5
Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo, «Ampitomboy ny finoanay.»
6
Fa hoy ny Tompo: «Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‹Miongòta, ka mifindrà any anatin’ny ranomasina›, dia hanaiky anareo izy.»
7
«Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: ‹Metia faingana, ary mipetraha hihinana›
8
Moa tsy izao aza no holazainy aminy: ‹Amboary ny sakafoko, ary misikìna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa raha efa izany vao hihinana sy hisotro ianao?›
9
Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io?
10
Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rehefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: ‹Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.› »
11
Nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa dia nanara-tsisina an’i Samaria sy i Galilea.
12
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy, izay nijanona teny lavidavitra teny.
13
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: «Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay.»
14
Vantany vao nahita azy ireo Izy dia nanao hoe: «Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona,» ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana.
15
Ary ny anankiray tamin’ireny, rehefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery.
16
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io.
17
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: «Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy?
18
Ny vahiny indray ity no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?»
19
Dia hoy Izy taminy: «Mitsangàna, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.»
20
Ary nanontanian’ny Farisianina izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra Izy ka namaly hoe: «Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
21
ary tsy hataon’ny olona hoe: ‹Indro atỳ na arỳ izy›; fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.»
22
Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany: «Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, fa tsy hahita ianareo.
23
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe: ‹Indro erỳ; na indro etỳ›; nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory.
24
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’olona amin’ny androny.
25
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy, sy holavin’ity taranaka ity.»
26
«Ary toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’olona:
27
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
28
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano;
29
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
30
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.»
31
«Amin’izany andro izany, izay any ambony tafon-trano aoka tsy hiditra haka ny zavany ao an-tranony; toy izany koa, izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka izay nilaozany,
32
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
33
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
34
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela;
35
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarina, ny iray horaisina ary ny iray havela; ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.»
36
Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: «Ho aiza Tompoko?»
37
Ary hoy Izy taminy: «Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.»
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24