bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Psalms 119
Psalms 119
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 118
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 120 →
1
Sambatra ny tsy manan-tsiny amin’ny lalany, izay mandeha araka ny lalàn’i Iaveh.
2
Sambatra izay mitana ny fampianarany; izay mitady azy amin’ny fony rehetra,
3
tsy mba manao ratsy, fa mandeha eo amin’ny lalany.
4
Efa namoaka ny didinao ianao; mba hitandreman’ny olona azy tsara.
5
Enga anie ka ho voahitsy ny lalako, mba hitandremako ny didinao!
6
Dia tsy hahazo henatra aho, mijery ny didinao rehetra.
7
Hidera Anao amin’ny hitsim-poko aho, amin’ny fianarana ny didin’ny fahamarinanao.
8
Sitrako ny mitandrina ny didinao: aza dia ilaozanao tokoa aho.
9
Hataon’ny zatovo ahoana no fahatonga ny lalany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.
10
Mitady Anao amin’ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao.
11
Tahirizo miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao.
12
Hisaorana anie Ianao, ry Iaveh! Ampianaro ny didinao aho.
13
Ny molotro no amisavisako ny fitsipika rehetra naloaky ny Vavanao.
14
Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.
15
Sitrako ny misaintsaina ny didinao, sy ny mahira-maso amin’ny lalanao.
16
Ataoko fifaliana ho ahy ny lalànao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao.
17
Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao, mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao.
18
Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin’ny lalànao.
19
Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao.
20
Ny fanahiko torotoron’ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin’ny didinao.
21
Mandrahona ny mpiavonavona Ianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao.
22
Halaviro ahy ny henatra amam-panesoana, fa mitandrina ny fampianaranao aho.
23
Na dia mipetraka aza ny mpanapaka sy miteny mamely ahy, mbola hisaintsaina ny lalànao ihany ny mpanomponao.
24
Eny, ny fampianaranao no fahafinaretako, izy no olona mpanolo-tsaina ahy.
25
Miraikitra amin’ny vovoka ny fanahiko; velomy indray aho araka ny teninao.
26
Naposako Anao ny lalako, dia hoy ny navalinao ahy: Ampianaro ny lalànao aho.
27
Ampafahantaro ahy ny lalan’ny didinao, dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho.
28
Azon’alahelo ny fanahiko ka latsa-dranomaso, atsangano indray aho araka ny teninao.
29
Halaviro ny lalan’ny lainga aho, fa omeo ahy ny soa ao amin’ny lalànao.
30
Nifidy ny lalan’ny fahamarinana aho, ataoko eo imasoko ny didinao.
31
Nifikitra tamin’ny fampianaranao aho; ry Iaveh, aza avela ho azon-kenatra aho.
32
Mihazakazaka eo amin’ny lalan’ny didinao aho, fa nohalalahinao ny foko.
33
Ry Iaveh ô, ampianaro ny lalan’ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin’ny faran’ny aiko.
34
Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin’ny foko rehetra.
35
Tariho aho amin’ny lalan’ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana.
36
Atongilano ho amin’ny fampianaranao ny foko, fa tsy ho amin’ny fahazoan-tombony.
37
Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin’ny lalànao aho.
38
Tovy amin’ny mpanomponao ny fampanantenanao, izay nataonao ho an’ny olona matahotra Anao.
39
Esory amiko ny fahafaham-baraka izay atahorako; fa tsara ny didinao.
40
Mirehi-paniriana hanaraka ny didinao aho, velomy amin’ny fahamarinanao aho.
41
Ho tonga amiko anie ny famindram-ponao, ry Iaveh ô, sy ny famonjenao araka ny teninao!
42
Ary ho haiko valiana izay maniratsira ahy, fa mitoky amin’ny teninao aho.
43
Aza esorina amin’ny vavako, tsy hisy intsony, ny tenim-pahamarinana, fa ny didinao no antenaiko.
44
Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao; mandrakariva sy mandrakizay.
45
Handeha amin’ny malalaka aho, fa ny didinao no katsahiko.
46
Hilaza ny fampianaranao eo anatrehan’ny mpanjaka aho, ka tsy ho menatra.
47
Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy.
48
Hanandratra ny tanako amin’ny didinao, izay tiako, aho, ary hisaintsaina ny lalànao.
49
Tsarovy ny teny nomenao ny mpanomponao, izay ampiorenanao ny fanantenako.
50
Izany no fiononako ao anatin’ny fahoriako, dia ny hameloman’ny teninao ahy indray.
51
Manaraby ahy fatratra ireo mpiavonavona, fa tsy mba mivily amin’ny lalànao aho,
52
Ny didinao tamin’ny andro taloha no eritreretiko, ry Iaveh, ka mionona aho.
53
Azon’ny hatezerana aho noho ny amin’ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao.
54
Ny lalànao no fihirako, eo amin’ny fitoerana fivahiniako.
55
Mahatsiaro ny Anaranao aho nony alina, ry Iaveh ô, ka mitandrina ny lalànao.
56
Izao no anjara nomena ahy: mitandrina ny didinao aho.
57
Ny anjarako, ry Iaveh, lazaiko izany, dia ny mitandrina ny teninao.
58
Mitalaho aminao amin’ny foko rehetra aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao.
59
Mieritreritra ny làlako aho, ka mampiverina ny diako ho araka ny fampianaranao.
60
Midodododo aho, fa tsy mangataka andro, hitandrina ny didinao.
61
Manodidina ahy ny fandriky ny ratsy fanahy, fa tsy manadino ny lalànao aho.
62
Mifoha mamatonalina hidera Anao aho, noho ny fitsaràn’ny fahamarinanao.
63
Sakaizan’izay rehetra matahotra Anao aho; mbamin’izay mitandrina ny didinao.
64
Henika ny hatsaram-ponao ny tany, ry Iaveh, ampianaro ny lalànao aho.
65
Nanehoanao ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, araka ny teninao, ry Iaveh ô!
66
Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao.
67
Naniasia aho, fony mbola tsy naetry, fa mitandrina ny teninao aho ankehitriny.
68
Tsara fo sy manao soa Ianao, ampianaro ny lalànao aho.
69
Misy mpiavonavona, mamoron-dainga hamelezena ahy; izaho kosa, mitandrina ny didinao amin’ny foko rehetra.
70
Ny fon’izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin’ny lalànao.
71
Soa ho ahy ny naetry mba hianarako ny didinao.
72
Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.
73
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
74
Hifaly amin’ny fahitana ahy, izay matahotra Anao, fa mitoky amin’ny teninao aho.
75
Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsarànao; tamin’ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
76
Ny hatsaram-ponao anie no ho fiononako, araka ny teny nomena ny mpanomponao.
77
Ho tonga amiko anie ny fiantranao ary ho velona anie aho, fa ny lalànao no fahafinaretako.
78
Aoka ny mpiavonavona nampahory ahy tsy an-drariny ho menatra; izaho kosa misaintsaina ny didinao.
79
Aoka hitodika ho atỳ amiko izay matahotra Anao, mbamin’izay mahalala ny fampianaranao.
80
Ny foko manontolo anie ho amin’ny lalànao, mba tsy ho menatra aho.
81
Hanìnin’ny fanahiko ny famonjenao; ny teninao no antenaiko.
82
Valalanina ny masoko miandry ny fampanantenanao, hoy aho: «Rahoviana no hampionona ahy Ianao?»
83
Fa efa tahaka ny siny hoditra mitanina amin’ny setroka aho, nefa tsy mba manadino ny lalànao.
84
Manana andro firy moa ny mpanomponao? Mba rahoviana no hamaizanao izay manenjika ahy?
85
Mihady lavaka hahaverezany ahy ireo mpiavonavona, izay mpanohitra ny lalànao.
86
Ny didinao rehetra dia fahamarinana; mpanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy ireo: vonjeo aho.
87
Efa saiky nolevoniny eto amin’ny tany aho, fa izaho kosa tsy mba nahafoy ny didinao.
88
Velomy amin’ny hatsaram-ponao aho, dia hankatò ny fampianaran’ny vavanao.
89
Iaveh ô, ny teninao, miorina mandrakizay any an-danitra.
90
Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinanao; nanorina ny tany Ianao, dia maharitra izy.
91
Araka ny lalànao no mbola aharetan’ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.
92
Raha tsy ny lalànao no nataoko fahafinaretako, dia efa maty tamin’ny fahoriako aho toy izay.
93
Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa izy no namelomanao ahy indray.
94
Anao aho: dia vonjeo, fa mitady ny didinao.
95
Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hamono ahy: mihaino tsara ny fampianaranao aho.
96
Efa hitako fa misy fetra avokoa ny lavorary, ny didinao no tsy manam-petra.
97
Endrey izany fitiavako ny lalànao! izy no fisaintsainako tontolo andro.
98
Ataonao hendry noho ny fahavaloko aho, amin’ny didinao, satria ato amiko mandrakariva izy.
99
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho satria ny fampianaranao no fisaintsainako.
100
Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny didinao.
101
Hazoniko lavitra ny lalan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao.
102
Tsy mba miala amin’ny didinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy.
103
Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako.
104
Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho.
105
Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako.
106
Efa nianiana aho, ary tsy hivadika amin’izany, fa hitandrina ny didim-pahamarinanao.
107
Tonga amin’ny fara fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao.
108
Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao.
109
Hatenda lava izao ny aiko, nefa tsy manadino ny lalànao aho.
110
Mamela-pandrika hamelezana ahy ny ratsy fanahy, nefa tsy mania lavitra ny didinao aho.
111
Ny fampianaranao no ananako mandrakizay mba ho lova, fa fifalian’ny foko izy.
112
Nandraika ny foko hitandrina ny didinao aho, mandrakizay, hatramin’ny farany.
113
Halako ny olona miroa fo, ary tia ny lalànao aho.
114
Fialofako sy ampingako Ianao mitoky amin’ny teninao aho.
115
Mialà amiko ianareo ratsy fanahy, dia hitandrina ny didin’Andriamanitra aho.
116
Tohano araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako.
117
Aoka ho tohako Ianao, dia ho voavonjy aho, ka ho eo imasoko mandrakariva ny lalànao.
118
Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.
119
Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao.
120
Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsarànao aho.
121
Manaraka ny rariny sy ny fahamarinana aho; aza dia afoinao ho an’ny mpampahory ahy aho.
122
Aoka Ianao hiantoka ny fananan’ny mpanomponao, ary aoka tsy hampahorin’ny mpiavonavona aho.
123
Valalanina ny masoko miandry ny famonjenao, sy ny fampanantenanao ny fitsarana marina.
124
Ento araka ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, ary ampianaro ny lalànao aho.
125
Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao.
126
Fotoana tokony hiraharahan’i Iaveh izao, fa mandika ny lalànao izy ireo.
127
Noho izany dia tia ny didinao aho, mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio.
128
Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao; halako ny lalam-pitaka rehetra.
129
Mahagaga ny fampianaranao, ka mitandrina azy ny fanahiko.
130
Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra.
131
Atanatànako ny vavako, dia mitroka aho, fa lian-kiteny ny didinao aho.
132
Atodiho ahy ny Tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an’izay tia ny Anaranao.
133
Afikiro amin’ny teninao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko.
134
Afaho amin’ny fampahorian’ny olombelona aho, dia hitandrina ny didinao.
135
Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ny lalànao aho.
136
Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànao.
137
Marina Ianao, ry Iaveh, ary araka ny rariny ny fitsarànao.
138
Namoaka ny fampianaranao Ianao araka ny rariny, sy ny fahamarinana lavorary.
139
Mandritra aina ahy ny fahazotoako, satria manadino ny teninao ireo mpanohitra ahy.
140
Voazaha toetra tanteraka ny teninao, ka tia azy ny mpanomponao.
141
Sady kely aho no mavomavo, fa tsy mba manadino ny didinao.
142
Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao dia fahamarinana.
143
Tratry ny fahoriana aman-tebiteby aho; ny didinao no fahafinaretako.
144
Marina mandrakizay ny fampianaranao, omeo ny fahazavan-tsaina aho, mba ho velona.
145
Miantso Anao amin’ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.
146
Miantso Anao aho, ka vonjeo, mba hanarahako ny fampianaranao.
147
Alohan’ny mazava atsinanana dia efa mitaraina aminao aho; matoky ny teninao aho.
148
Mialoha ny fiambenan’alina ny masoko, mba hisaintsaina ny teninao.
149
Henoy araka ny hatsaram-ponao ny feoko; velomy aho indray, ry Iaveh, araka fandaharanao.
150
Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy, izay nihataka tamin’ny lalànao.
151
Akaiky Ianao, ry Iaveh, ary fahamarinana avokoa ny didinao.
152
Efa fantatro ela ny amin’ny fampianaranao, fa naorina ho mandrakizay izy.
153
Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; fa tsy manadino ny lalànao aho.
154
Arovy aho amin’ny adiko, ary valio ny ratsy natao tamiko; velomy indray aho araka ny teninao.
155
Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy asiany raharaha ny lalànao.
156
Betsaka ny famindram-ponao, ry Iaveh, velomy indray aho araka ny fandaharanao.
157
Maro ny mpanenjika ama-mpandrafy ahy; tsy mba mihataka amin’ny fampianaranao aho.
158
Tsiravina aho, mahita ny mpivadika, satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny.
159
Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao.
160
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn’ny fahamarinanao.
161
Enjehi-mpanjaka tsy ahoan-tsy ahoana aho; ny teninao no hany atahoran’ny foko.
162
Mifaly amin’ny teninao aho, hoatra ny mahazo babo be.
163
Halako, mahatsiravina ahy ny lainga; tia ny lalànao aho.
164
Midera Anao impito isan’andro aho, noho ny lalàn’ny fahamarinanao.
165
Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy.
166
Manantena ny famonjena aho, ry Iaveh, ary manaraka ny didinao.
167
Mitandrina ny fampianaranao ny fanahiko, ary miraiki-pitia amin’izany izy.
168
Mitana ny fandaharanao amana fampianaranao aho; fa eo anatrehanao avokoa ny lalako.
169
Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitarainako, ry Iaveh ô; Omeo fahazavan-tsaina araka ny teninao aho.
170
Ho tonga hatrany aminao anie fifonako, afaho araka ny teninao aho.
171
Hamoaka fiderana Anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao.
172
Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao.
173
Hivelatra hamonjy ahy anie ny tananao; fa efa nifidy ny fandaharanao aho.
174
Maniry ny famonjenao aho, ry Iaveh ô, ary ny lalànao no fahafinaretako.
175
Ho velon-kidera Anao anie ny fanahiko, ary ho avy hamonjy ahy ny fitsarànao.
176
Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.
← Chapter 118
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 120 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150