bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Psalms 89
Psalms 89
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 88
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 90 →
1
Fihirana nataon’i Etàna, Ezrahita.
2
Te hihira mandrakizay ny hatsaram-pon’i Iaveh aho: hanambara ny fahamarinanao amin’ny taranaka rehetra, ny vavako.
3
Fa hoy aho: «Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay; naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.
4
Efa nanao fanekena tamin’ilay nofidiko Aho; fianianana efa nataoko tamin’i Davida mpanompoko,
5
fa te hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao Aho, sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin’ny taranaka rehetra.» - Selà
6
Ry Iaveh, ny lanitra mankalaza ny fahagagana ataonao, mbamin’ny fahamarinanao eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.
7
Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh? Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?
8
Mahatahotra Andriamanitra eo amin’ny fiangonam-ben’ny olo-masina, mahatahotra ho an’ireo rehetra manotrona Azy Izy.
9
Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, iza no tahaka Anao? Mahery Ianao, Iaveh, ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
10
Ianao no mamolaka ny fianjonanjonan’ny ranomasina; Ianao no mampitony azy raha misamboaravoara ny onjany.
11
Ianao no nanorotoro an-dRahaba toy ny faty; sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao.
12
Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; ny tany sy izay rehetra ao aminy, Ianao no nanorina azy.
13
Ny atsimo sy avaratra, Ianao no nahary azy. Tabôra sy Hermôna indray mientana amin’ny Anaranao.
14
Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
15
Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao.
16
Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
17
Mifaly mandrakariva amin’ny Anaranao izy; ary misandratra amin’ny fahamarinanao.
18
Fa Ianao no voninahiny amam-pahefany, ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay.
19
Satria avy amin’i Iaveh ny ampinganay; ary avy amin’ilay Masin’i Israely ny mpanjakanay.
20
Fahiny Ianao niteny tamin’ny malalanao, tamin’ny fahitana nanao hoe: «Izaho namonjy fanampiana ny mahery anankiray; nanandratra zatovolahy anankiray avy eo afovoan’ny vahoaka;
21
nahita an’i Davida mpanompoko; nanosotra azy tamin’ny diloilo masina.
22
Homba azy lalandava ny tanako; ary hankahery azy ny sandriko.
23
Tsy hotampohin’ny fahavalo izy; ary tsy haharesy azy ny zanaky ny tsy fahamarinana.
24
Izaho hanorotoro ny mpanohitra azy eo anatrehany; sy hamely an’izay mankahala azy.
25
Homba azy ny fahamarinako aman-katsaram-poko; ary ny Anarako no hitomboan’ny heriny.
26
Hahatrako amin’ny ranomasina ny tanany; ary amin’ny ony ny tanany ankavanana.
27
Izy hiantso Ahy hoe: Ianao no raiko, sy Andriamanitro ary vatolampy famonjena ahy.
28
Ary Izaho kosa hanao azy ho lahy matoa, ambony indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.
29
Hitahiry ny hatsaram-poko aminy mandrakizay Aho; ary ny fanekeko aminy tsy hivadihana.
30
Hampitoeriko haharitra mandrakizay ny taranany; ary ny seza fiandrianany haharitra toy ny andron’ny lanitra.
31
Raha mahafoy ny lalàko ny taranany, ka tsy mandeha araka ny fitsipiko;
32
raha mandika ny teniko izy, ka tsy mitandrina ny didiko,
33
dia hosaziko amin’ny tsora-kazo ny fahadisoany, ary amin’ny kapoka ny helony;
34
fa tsy hesoriko aminy ny hatsaram-poko, ary tsy hampandainga ny toky nomeko azy Aho.
35
Tsy handika ny fanekeko Aho, ary tsy hanova ny teny naloaky ny vavako.
36
Efa nianianako indray mandeha tamin’ny fahamasinako, ka tsy handainga amin’i Davida Aho.
37
Haharitra mandrakizay ny taranany, ho tahaka ny masoandro eo anoloako ny seza fiandrianany;
38
tahaka ny volana izy dia tafaorina ho mandrakizay, ary mahatoky ny vavolombelona eny amin’ny lanitra.» - Selà
39
Kanjo narianao sy tsy nasianao raharaha, ary notezeranao ilay Voahosotrao!
40
Nahatofoka Anao ny fanekena tamin’ny mpanomponao, natsipinao amin’ny tany ny satroboninahiny efa voatevateva.
41
Nazeranao ny mandany rehetra, noravanao ny trano mimandany.
42
Izay mandalo mamabo azy avokoa, tonga fandàtsan’ny mpiray monina aminy izy.
43
Fa nasandratrao kosa ny tanana ankavanan’ny mpampahory azy, nampifalinao ny fahavalony rehetra.
44
Nalefitrao hihodina ny lela-tsabany, ary tsy nanohana azy tamin’ny ady Ianao.
45
Nendahanao ny voninahiny, ary nazeranao amin’ny tany ny seza fiandrianany.
46
Nohafohezinao ny andron’ny fahatanorany, ary nosaforanao henatra izy. - Selà
47
Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hierenao lalandava? sy hirehitra hoatry ny afo ny hatezeranao?
48
Tsarovy ny hafohezan’ny andro iainako, sy ny zavatra tsinontsinona naharianao ny zanak’olombelona!
49
Iza moa no velona tsy hahita fahafatesana, ary zovy no hahafaka ny fanahiny amin’ny herin’ny Seoly? - Selà
50
Aiza ny hatsaram-ponao fahiny, Tompo ô, izay nianiananao tamin’i Davida, tamin’ny fahamarinanao?
51
Tsarovy, Tompo, ity latsa manjò ny mpanomponao, fa mitondra ato amin’ny tratrako ny faniratsiràn’ny firenena aho;
52
dia ny faniratsiràn’ny fahavalonao, ry Iaveh, faniratsirana nanoherany ny dia nandrosoan’ny Voahosotrao.
53
Hisaorana mandrakizay anie i Iaveh! Amen! Amen!
← Chapter 88
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 90 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150