bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Psalms 78
Psalms 78
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 77
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 79 →
1
Fihirana nataon’i Asafa. Henoy ny fampianarako, ry vahoakako, atongilano amin’ny tenin’ny vavako, ny sofinao.
2
Hiloa-bava hilaza oha-teny aho, hamoaka ny zava-miafina tamin’ny fahataloha aho.
3
Izay efa renay sy nianaranay, izay efa nambaran’ny razantsika taminay,
4
dia tsy mba afeninay amin’ny zanany. Fa holazainay amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Iaveh, mbamin’ny heriny amam-pahagagana nataony.
5
Nametraka fitsipika teo amin’i Jakôba Izy, nanisy lalàna amin’i Israely; ka ny razantsika nasainy nampianatra izany amin’ny zanany,
6
mba ho fantatry ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka sy hiposaka, ka hotantarain’izy ireo indray izany, amin’izay zanany.
7
Amin’izany dia hametraka ny fitokiany amin’Andriamanitra izy, tsy hohadinoiny ny asan’Andriamanitra, sy hotandremany ny didiny;
8
dia tsy hanahaka ny razany izay taranaka maditra sy miodina, taranaka manana fo mivadibadika, sy fanahy tsy miraikitra amin’Andriamanitra.
9
Ireo taranak’i Efraima, mpandefa tsipìka mahay, dia niamboho tamin’ny andro niadiana;
10
tsy nitandrina ny faneken’Andriamanitra, nandà tsy handeha araka ny lalàny,
11
nanadino ny zava-mahagaga nasehony azy ireo.
12
Dia nanao fahagagana teo anatrehan’ny razany Izy, tany amin’ny tany Ejipta, tao an-tsahan’i Tanisa,
13
nampisaraka ny ranomasina hampandehanany azy ireo; nitana ny rano mitsangana toy ny antontan-javatra miavosa.
14
Nitarika azy tamin’ny rahona nony andro, ary tamin’ny afo mazava mandritra ny alina.
15
Namaky ny vatolampy tany an’efitra, dia nomeny hosotroiny toy ny rano migorodana.
16
Nampiboiboika sakeli-drano tamin’ny vatolampy Izy, dia nampandeha rano mandriaka be.
17
Nefa izy ireo mbola nanohy ny nanota taminy, sy nikomy tamin’ny Avo indrindra tany an’efitra.
18
Naka fanahy an’Andriamanitra tao am-pony izy ireo, nangataka hanina araka ny fitsiriritany.
19
Niteny nanohitra an’Andriamanitra izy nanao hoe: «Hahavoatra latabatra atỳ an’efitra va Andriamanitra?
20
Indro efa nikapoka ny vatolampy Izy dia nandeha ny rano, ary nibosasaka ny ranon-driaka; ho azony atao koa va ny manome mofo na manome hena ho an’ny vahoakany?»
21
Nahare izany i Iaveh ka tezitra, ka nisy afo nirehitra namely an’i Jakôba, ary nisy hatezerana nipoitra namely an’i Israely,
22
satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo, ary tsy natoky ny famonjeny.
23
Kanefa nandidy ny rahona any ambony Izy, ary nanokatra ny varavaran’ny lanitra.
24
Nandatsaka mana teny aminy hamelona azy Izy, ary varin’ny lanitra no nomeny azy.
25
Dia samy nihinana ny mofon’ny mahery izy; nandefa hanina taminy Izy, ka nataony voky izy ireo.
26
Nampifofofofo ny rivotra avy atsinanana teny an-danitra Izy, nitarika ny rivotra avy atsimo tamin’ny heriny Izy;
27
dia nandatsaka hena, toy ny vovoka, teny aminy, sy vorona manana elatra hoatry ny fasiky ny ranomasina.
28
Nalatsany teny afovoan’ny tobiny ireny, manodidina ny lainy.
29
Dia nihinana izy ireo, ka nivoky loatra; nomen’Andriamanitra azy izay niriny.
30
Raha mbola tsy nanarana ny fahalianany izy ireo, sady mbola teo am-bavany ny haniny,
31
dia nihatra tamin’izy ireo ny hatezeran’Andriamanitra; nojanjanany ho faty ireo nivoky indrindra, naripany koa ny zatovolahin’i Israely.
32
Taorian’izany rehetra izany, mbola nanota ihany izy ireo, ka tsy nino ny fahagagana nataony.
33
Ka nataony levona toy ny fofon’aina ny androny, ary notaperiny tampoka ny taonany.
34
Nony nasiany tamin’ny fahafatesana izy ireo vao nitady Azy, niverina izy ka dodona hahita an’Andriamanitra indray;
35
nahatsiaro fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary ny Avo indrindra no Mpanavotra azy.
36
Kanjo namitaka Azy tamin’ny teniny izy ireo, ary nandainga taminy ny lelany;
37
fa ny fony tsy mba niorina taminy; izy ireo tsy nitandrina ny fanekeny.
38
Mamindra fo anefa Izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.
39
Notsarovany fa izy ireo dia nofo ihany, fofon’aina mandalo dia tsy miverina intsony.
40
Impiry akory moa izy ireo no niodina taminy tany an’efitra, nampahatezitra Azy tany amin’ny tany mangingina!
41
Naka fanahy an’Andriamanitra tsy an-kijanona izy ireo, ary nihantsy an’ilay Masin’i Israely!
42
Tsy tsaroany intsony ny heriny, ny andro nanafahany azy tamin’ny mpampahory,
43
izay nanehoany ny fahagagany tany Ejipta, ny asany mahagaga tany an-tsahan’i Tanisa.
44
Nanova ny oniny ho ra Izy, ka tsy azony nosotroina ny reniranony.
45
Nalefany hamely azy ireo ny moka izay nihinana azy, ary ny sahona izay nahafaty azy.
46
Natolony ho an’ny valala ny vokatry ny taniny, dia ho an’ireny andiany maro be, ny vokatry ny asany.
47
Nolevoniny tamin’ny havandra ny voalobony, ary tamin’ny vongan-kavandra ny aviaviny.
48
Nafoiny ho an’ny havandra ny biby fiompiny, ary hoasian’ny varatra ny andiam-bibiny.
49
Nalefany hamely azy ny afon’ny fahatezerany, dia ny fahavinirana, fisafoahana, ary fampahoriana, tafik’Anjely mitondra loza avokoa.
50
Nanampatra ny fahatezerany rehetra Izy, ka tsy namonjy ny fanahin’izy ireo tamin’ny fahafatesana, nanolotra ny ain’izy ireo tamin’ny fandringanana.
51
Namely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta Izy, dia ny santatry ny fahatanjahana tao an-dain’i Kama.
52
Nampandeha toy ny ondry, ny vahoakany, nentiny tany an’efitra toy ny andiam-biby fiompy.
53
Notarihiny tamim-pahalalana izy ireo, ka tsy nanan-java-mahatahotra, ary ny fahavalony kosa natelin’ny ranomasina.
54
Nentiny izy ho tonga hatrany an-tsisin-taniny masina, hatrany an-tendrombohitra azon’ny tanany ankavanana.
55
Noroahiny teo anatrehan’izy ireo ny firenena, dia nozarainy ho azy ireo tamin’ny filokana ny zara lovany, ary nampitoeriny tao an-dainy ny fokon’i Israely.
56
Na dia izany aza, mbola naka fanahy sy nihantsy an’Andriamanitra Avo indrindra ihany izy ireo, ka tsy nitandrina ny didiny.
57
Fa niodina sy nivadika toy ny razany izy ireo, nibirioka toy ny tsipìka mandainga.
58
Nampahatezitra Azy, tamin’ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro Azy, tamin’ny sampiny.
59
Tezitra Andriamanitra nandre izany, tonga tsy tiany mainty i Israely.
60
Tsy nankasitrahiny ny fonenany tao Silô, dia ny lay izay nonenany tao amin’ny olombelona.
61
Natolony ho babo ny heriny; ary ho eo an-tanan’ny fahavalo ny fiandrianany.
62
Nafoiny ho an’ny sabatra ny vahoakany, ka tezitra tamin’ny lovany Izy.
63
Nolevonin’ny afo ny zatovolahiny, ary tsy nahare ny hiram-panambadiana ny zatovovaviny.
64
Lavon’ny sabatra ny mpisorony, ary tsy nigogogogo ny mpitondratena tany aminy.
65
Nifoha, tahaka ny olona natory, ny Tompo, sahala amin’ny mpiady mahery leon-divay.
66
Dia nasiany avy eo aoriana ny fahavalony, ka nataony afa-baraka mandrakizay.
67
Tsy tiany kosa anefa ny lain’i Josefa, ary nariany ny fokon’i Efraima.
68
Fa ny fokon’i Jodà no nofidiny, dia ny tendrombohitr’i Siôna izay efa tiany.
69
Dia naoriny ny fitoerany masina, toy ny havoana manakatra ny lanitra, tahaka ny tany naorina ho mandrakizay.
70
Nifidy an’i Davida mpanompony Izy, ary nanesotra azy any am-balan’ny ondry;
71
naka azy teny am-piandrasana reniondry, mba hiandry an’i Jakôba vahoakany, sy i Israely lovany.
72
Dia nitarika azy araka ny fahitsian’ny fony, i Davida, ary nitondra azy tamin’ny tanana kinga.
← Chapter 77
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 79 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150