bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Corinthians 10
2 Corinthians 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
1
Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin’ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon’i Kristy aho:
2
aoka re aho mba tsy ho voatery hanao teny henjana amin’ny hahatongavako atỳ aminareo; fa mikasa hihenjana amim-pahasahiana tokoa aho amin’ny olona sasany, izay mihevitra fa manao fitondrantena araka ny fisainan’olombelona izahay.
3
Na dia ao anatin’ny fiainana maha olombelona aza izahay, dia tsy araka ny fisainan’olombelona no iadianay;
4
satria tsy fitaovam-piadiana malemy, araka ny an’ny olombelona, no entinay miady; fa fitaovam-piadiana mahery, araka an’Andriamanitra, mba hoenti-mandrava mànda. Ravànay ny hevitra diso
5
sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary babonay hanaiky an’i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana.
6
Vonona hanafay ny tsy mpanota rehetra izahay, rehefa mampiseho fanoavana tanteraka ianareo.
7
Mijery zavatra araka ny fisehony ivelany ihany ianareo! Raha misy olona matoky tena fa an’i Kristy, dia izao indray no aoka hosaintsaininy: tahaka ny maha an’i Kristy azy no maha an’i Kristy anay koa.
8
Ary tsy hahazo henatra aho na dia ireharehako somary tafahoatra aza ny fahefana nomen’ny Tompo anay, dia fahefana hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.
9
Tsy te hiseho ho toy ny hoe mampitahotra anareo aho amin’ireto taratasy soratako; fa misy manao hoe:
10
«Mafonja sy mahery vaika ireo taratasin’i Paoly; nefa rehefa mby eto aminay izy tenany, dia olona osa ary ny teniny dia tsinontsinona.»
11
Izao no aoka hosaintsainin’ilay miteny toy izany: sahala amin’izay soratanay an-taratasy raha lavitra izahay, no hataonay rehefa tonga izahay.
12
Marina tokoa fa tsy sahinay ny hampitovy na hampitaha ny tenanay amin’ny olona sasany midera tena; satria tsy hendry ireny, fa manohatra tena amin’ny tenany ihany ary mampitaha tena amin’ny tenany ihany.
13
Izahay kosa tsy mba hirehareha mihoa-pampana, fa dia araka ny fenitry ny asa voafaritr’Andriamanitra ho anjaranay, ka nahatongavanay hatratỳ aminareo.
14
Fa tsy toy ny olona tsy tonga hatratỳ aminareo izahay, ka hoe nihoatra ny faritra natao ho anay; tonga hatratỳ aminareo tokoa izahay nitondra ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy.
15
Tsy mirehareha mihoa-pampana izahay, ka hirehareha amin’ny asa nataon’ny sasany; fa izao no antenainay: rehefa mitombo ny finoanareo, dia hitatra hatrany hatrany eo aminareo koa ny asanay, araka ny fenitra napetrak’Andriamanitra ho anay.
16
Avy eo dia hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ireo faritany ivelan’ny anareo izahay, ka tsy hirehareha amin’izay efa vitan’ny sasany eo amin’ny faritra sahaniny.
17
Fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Izay mirehareha dia ny nataon’ny Tompo no aoka hireharehany »;
18
satria tsy izay midera tena no olona voazaha toetra, fa izay derain’ny Tompo.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13