bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Corinthians 12
2 Corinthians 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
1
Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa hiroso aho hilaza fahitana sy fanambarana nomen’ny Tompo ahy.
2
Fantatro fa tokony ho 14 taona lasa izay, dia nisy kristianina anankiray nakarina tany amin’ny lanitra fahatelo. (Asa moa raha nakarina tokoa izy na nisehoam-pahitana fotsiny, Andriamanitra no mahalala.)
3
Fantatro fa nakarina hatrany Paradisa izany lehilahy izany (asa moa raha nakarina tokoa izy na nisehoam-pahitana fotsiny, Andriamanitra no mahalala); ary tao Paradisa no nandrenesany teny tsy hay lazaina sady tsy azon’olombelona tenenina.
5
Ny amin’izany lehilahy izany no hataoko rehareha, fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hataoko rehareha afa-tsy ny fahalemeko ihany.
6
Satria na dia te hirehareha aza aho, dia tsy ho adala fa ny marina no holazaiko; kanefa tsy manao izany aho, fandrao hisy olona hihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko na reny avy amiko.
7
Fa mba tsy hampieboebo ahy noho ireo fanambarana tsy manan-tsahala voaraiko, dia navelan’Andriamanitra hisy zava-mampijaly ahy tao amin’ny tenako; toy ny irak’i Satàna mamely ahy izany ka misakana ahy tsy hieboebo.
8
Intelo aho no niangavy ny Tompo mba hialan’izany aretina izany amiko;
9
nefa hoy ny Tompo tamiko: «Ampy ho anao ny fahasoavako, satria ao amin’ny fahalemenao no isehoan’ny heriko tanteraka.» Koa vao mainka sitrako mihitsy ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hambomba ahy ny herin’i Kristy.
10
Ka dia ifaliako ny fahalemena, ny fanevatevana, ny fahaterena, ny fanenjehana ary ny tebiteby, izay manjo ahy noho ny amin’i Kristy; fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.
11
Efa lasa adala aho, satria noterenareo. Ianareo ange no tokony hidera ahy e! Fa na dia tsinontsinona aza aho, dia tsy misy mahalatsa-danja ahy velively amin’ireo apôstôly fanaperana.
12
Notontosaina teo aminareo avokoa ny marika manaporofo ny maha apôstôly ahy: dia faharetana lehibe sy famantarana ary zava-mahatalanjona aman’asa mahagaga.
13
Fa inona moa no mahalatsa-danja anareo noho ny Fiangonana hafa, afa-tsy hoe angaha tsy nanahirana anareo aho? Mamelà ny hadisoako fa tsy rariny tokoa izany!
14
Indro fa vonona aho izao ny hankatỳ aminareo fanintelony, nefa tsy hanahirana anareo. Ianareo manko no katsahiko fa tsy ny fanananareo; satria tsy ny zanaka no tokony hitady vola hikarakarana ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hitady vola hikarakarana ny zanany.
15
Raha ny amiko, dia sitrako mihitsy ny handany manontolo ny fananako sy ny aiko hamonjena anareo. Koa raha manao lanja miakatra ny fitiavako anareo, dia hanao lanja midina ve ny fitiavanareo ahy?
16
Ekenareo fa tsy nanahirana anareo tokoa aho; kanefa nanao hafetsena, hono, aho mba hahazoako anareo am-pitaka.
17
Moa nisy nasaiko naka vola aman-karena taminareo ve ireo nirahiko tatỳ aminareo?
18
Niangaviako i Tito hankatỳ aminareo ary nirahiko hiara-dia taminy koa ilay rahalahy izay fantatrareo. Naka vola aman-karena taminareo ve i Tito? Tsy toe-panahy iraisana ve no narahinay tamin’ny fitondrantenanay?
19
Heverinareo angamba fa miaro tena hatrany izahay eo imasonareo. Tsia! Araka ny sitrapon’i Kristy no itenenanay eo anatrehan’Andriamanitra; ka lazainay aminareo, ry hava-malala, fa izay rehetra izany dia hampandrosoana anareo amin’ny finoana.
20
Atahorako manko fandrao, rehefa tonga aho, dia tsy araka izay tiako no hahitako anareo, ary tsy araka izay tianareo koa no hahitanareo ahy. Atahorako fandrao hisy fifandirana, fifampialonana, fahatezerana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fanendrikendrehana, fieboeboana, ary fisavorovoroana.
21
Atahorako fandrao, amin’izao fahatongavako izao, dia hampietry ahy eo anatrehanareo ilay Andriamanitro; ka hitomany aho, noho ny maro izay nanota teo aloha nefa mbola tsy niala tamin’ny fahalotoana sy fijangajangana ary fihetsika tsy maotina fanaony.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13