bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Corinthians 13
2 Corinthians 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
1
Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan’ny raharaha rehetra.»
2
Amin’izao hahatongavako izao àry, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny hafa rehetra: efa voalazako izany fony aho tany aminareo fanindroany, nefa dia antitranteriko ankehitriny amin’izao aho tsy atỳ aminareo izao.
3
Tadiavinareo ny hahitana porofo fa i Kristy no miteny ato anatiko; ka tsy fahalemena no ampiharin’i Kristy aminareo, fa hery no asehony eo anivonareo.
4
Voahombo tamin’ny hazofijaliana i Kristy noho ny fahalemeny, kanefa dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Miombona amin’ny fahalemen’i Kristy izahay ankehitriny; kanefa hiseho fa velona miaraka amin’i Kristy izahay, ka ny herin’Andriamanitra no hampiharinay aminareo.
5
Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin’ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo!
6
Manantena kosa aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo fa tsy mba olona tsy voazaha toetra.
7
Mangataka am-bavaka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hahavita ratsy mihitsy ianareo, tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay.
8
Fa tsy mba mahatohitra ny marina izahay fa ny mampandroso ny marina ihany.
9
Eny, mahafaly anay raha malemy izahay fa ianareo kosa mahery; ka ny angatahinay am-bavaka, dia ny hahatanteraka anareo.
10
Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola lavitra anareo aho; fandrao, rehefa mby eo aminareo aho, dia voatery hanao mafy loatra, araka ny fahefana nomen’ny Tompo ahy, dia fahefana natao hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.
11
Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon’ny fitiavana sy ny fiadanana.
12
Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pihavanana.
13
Manao veloma anareo avokoa ny vahoakan’Andriamanitra.
14
Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana avy amin’ny Fanahy Masina!
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13