bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Corinthians 9
2 Corinthians 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
1
Momba ny fanampiana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo.
2
Fantatro manko ny risi-ponareo ka nataoko rehareha ny aminareo teo anoloan’ny Masedônianina; fa hoy aho taminy: «Efa vonona hatry ny taona itsỳ ry zareo any Akaîa!» Nanaitaitra ny maro ny zotomponareo.
3
Kanefa dia nalefako ho any aminareo ihany ireto rahalahy ireto mba tsy ho foana ilay reharehanay ny aminareo momba izany; sàtriko ho vonona tokoa ianareo, araka izay voalazako.
4
Fa raha tàhiny misy tafara-dia amiko ny avy atỳ Masedônia, ka mahita anareo tsy mbola vonona, dia hahamenatra anay izany fahatokianay anareo izany! Aoka tsy hoteneniko ny hoe hahamenatra anareo!
5
Noheveriko àry fa tena ilaina ny niangaviako ireto rahalahy ireto handeha hialoha ho any aminareo mba hampanomana rahateo ny fanomezana be nampanantenainareo teo aloha; dia ho vonona izany, ka ho fanomezana be tokoa fa tsy ho fanomezana mahihitra.
6
Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be.
7
Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra.
8
Ary hain’Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany,
9
araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Malala-tanana izy nanome ny mahantra; maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.»
10
Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an’ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo.
11
Hataon’Andriamanitra hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin’ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo.
12
Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa.
13
Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra.
14
Hivavaka ho anareo izy rehetra, fa ankamamiany tokoa ianareo satria nihoa-pampana ny fahasoavana nomen’Andriamanitra anareo.
15
Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13